Ratsimilaho dia mpanjaka sy mpitari-tafika tao amin'ny Faritra Betsimisaraka, nizara telo ny foko tao amin'iny faritra iny dia ny Antavaratra, ny Tsikoa na Betanimena ary ny Antatsimo. Noho ny fiadiana ny harena izay nisy tao Toamasina sy Fenoarivo dia nanangana tafika i Ratsimilaho, nahitana miaramila 200 lahy ka ireo no nantsoina sy nomena anarana hoe "Betsimisaraka". I Ratsimilaho dia maty ny taona 1745 ary nalevina ao amin'ny Nosy Sainte-Marie. Ratsimilaho dia zanaka jiolahin-tsambo anglisy sy Rasoa na Rahena, avy amin'ny foko Zafiramisoa...
Vanim-potoana hanavaozana tokoa isika izao. Ady hevitra tsy afaka ambavan'ireo mpisehatra amin'ny fanabeazana ohatra ny hanovàna ny tetiandrom-pampianarana an-kapobeny. Ny marimarina kokoa dia ny hanitsiana izany, mba hanaraka ny toetr’andro. Tena hoe ny toetr’andro tokoa satria tsapa ho voaelingelin’izany ny alimanàka ao anatin'ny taom-pianarana iray, izay handrantoan'ny zaza malagasy fahaizana amam-pahalalana any an-tsekoly...
Josoa Kristry no "leader" lavorary tokony ho tahafina. Ireo tsara halain-tahaka Aminy : Fanetrentena, manao ny sitrapon'ny Ray, manompo ny rehetra, matoky Andraimanitra, mamaly ny hetahetan'ny hafa, mahay mizara andraikitra sy fahefana, fananganana vondrona hanamorana ny asa manandrify. Ny leadership kristiana dia miezaka mamantatra ny olombelona sy ny momba an'Andriamanitra, mamantatra ny sitrapon'Andriamanitra hasoa ny vahoakany... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Alahady 22 febroary 2026 - Taona A - ALahady voalohany karemy : Andriamanitra tsy tia ratsy fa ny olombelona no be siasia. Tena fitiavana ny fandraràn'Andriamanitra ny olombelona amin'ny alalan'ny Didy folo sy ny fandraràna hafa araka ny Soratra Masina, Tian'Andriamanitra hanaka azy amin'ny lafiny rehetra ny olombelona. Ny tany efitra dia manambara fisitahana, fahanginana, fivavahana, fisedràna fakam-panahy maro. Ny demony dia tsy maka fanahy raha tsy misy zavatra fanararaotra toy ny sakafo, harena, voninahitra, ka ilaina mitolona am-bavaka sy mitoky amin'Andriamanitra Ray, Zanaka, sy Fanahy-Masina...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco