Endrika tena maha Malagasy ifotony tokoa ny fifanampiana, toy ny fifanomezan-tanana, tan-tsoroka, valin-tanana ary ny tana-maro. (18-12-2019)
Sarotra ny fiainana aty Argentine, hoy Fr Randriamalalatiana Harinala Romel, sdb satria miova avokoa na ny ora sy ny fomba fianarana, na ny olona sy ny fifampitondrana ao amin’ny ankohonam-piainana, na ny kolo-tsaina sy ny fiaraha-monina. Sedra atrehan’ireo misionera, tsy maintsy hihoarana izany. Mizara ny traikefa-piainany amintsika I Fr Romel.
Alarobia 18 desambra 2019 - Herinandro fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo.
Evanjely Masin'i Jesoa Kristy nosoratan'i Masindahy Matio 1, 18-24.
Andro fahavalo mialoha ny fankalazana ny Noely isika anio, tarihan'ny Evanjely hibanjina ny toetra nananan'i Masindahy Josefa, ilay Ray nanankinan'Andriamanitra ny zanany.
Talenta miavaka ny ananan'i Danny... Fikirakirana ny hazo hanome endrika hafa ny finday.
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco