♦ Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire Saint François de Sales, Analamasôva, ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... ♦ Nanokatra ny fankalazana ny faha-160 taonany ny Gardes d'Honneur an'ny Fo Masin'i Jesoa maneran-tany, ny tao amin'ny Diôsezin'i Mahajanga, omaly... ♦ Iraka isika, hoy ny hafatry ny Eveka ao amin'ny Diôsezin'Ambanja, nandritra ny fitsidihana pastôraly notanterahany tao amin'ny EKAR Luigi Orione, Distrikan'i Begavo...
Maria, izay nisitraka tanteraka ny fiainany ho toy ny fanomezana, dia vehivavin'ny vanim-potoana rehetra, isan'izany ny antsika izao. Tsy mety fo lefy laza izy, tsy mba lazoin'ny fahanterana velively, tsy mety ho lany manja. Afaka tsara mihitsy isika, mihevitra fa eo anilantsika izy mandritra ny sedra mahazo antsika, amin'ny fangirifiriana sy ny tebiteby mianjady amintsika, satria efa niharan'izany koa izy. Izy ankehitriny no mpanampy sy mpanohana azo antoka ho antsika. Hasivianandro fiomanana amin'ny fetin'i Masina Maria Vonjin'ny Kristianina. Andro fahavalo.
Ny fiavonavonana sy ny fahihirana dia isan'ireo fahotana fito fototry ny hafa, fa mifamatotra amin'izany ny fialonana. Ireo toetra ireo dia hita eny amin'ny tontolon'ny fiaraha-monina ary manimba zavatra maro. Maro ireo tsy mandray ny soso-kevitry ny olona manodidina azy fa miolonolona sy mampiseho avonavona. Maro ireo mpanan-karena mahihitra ka tsy mitsinjo ny tombontsoa iombonana.
I Maria dia vehivavy mifikitra tanteraka amin'Andriamanitra, nefa tsy miefitra velively amin'ny olombelona, na amin'ny fiainana na amin'ny tantaran'izy ireo. Tsy miloa-peo izy satria mihaino sy mandray mandrakariva ny tenin'Andriamanitra sy ny an'ny olombelona. Ny fanginany no mamela azy hihaino sy handanjalanja mba ho afaka hanavaka, ao anatin'ireo sahoa marobe, ireo teny tena manan-danja marina. Hasivianandro fiomanana amin'ny fetin'i Masina Maria Vonjin'ny Kristianina. Andro fahafito.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco