Didian’ny lalam-panorenana ny hanatanterahan’ny antenimiera mpanao lalàna fivoriana ara-potoana voalohany isaky ny talata voalohan’ny volana Mey ary maharitra 60 andro eo izany. Hiditra amin’ny herinandro fahatelo niatrehana ny fivoriana araka izany ny eny Tsimbazaza sy Anosikely mandritra ity herinandro vaovao ity. Laha-dinika isany andrasan’ny maro isaky ny volana Mey tahaka izao ny fanitsiana ny teti-bolam-panjakana na ny LFR ; fa eo koa ny fihaonana mivantana fametrahana fanotaniana ataon’ireo solombavambahoaka amin’ireo mpikamban’ny governemanta momba ireo maharary ny vahoaka eny ifotony. Araka ny efa namaritana azy nandritra ny fandaharam-potonan’ireo parlemantera moa dia ny volana Jona any no hisian’izay fihaonana eo amin’ny roa tonta, dia ny solombavambahoaka sy ny minisitra, izay..
19 mey — I Raphaël-Louis Rafiringa dia mbola olontsambatra amin'izao fotoana izao. Teraka tao Antananarivo ny taona 1856 i Rafiringa. Ny taona 1866 izy no nihaona tamin'ireo Frères des Ecoles Chrétiennes telo mirahalahy, tonga teto Antananarivo ka niditra nianatra tao amin'ny sekolin'izy ireo.
Tsy mora ny adidy sy andraikitra miandry ny Papa voafidy, amin'ny fitondrana ny Eglizy maneran-tany ; ireo Papa rehetra voafidy nifandimby nitondra ny Eglizy dia samy nanao ezaka nitsinjo ny vahoaka, fitsinjovana ireo sahirana, famporisihina hanaovana asa fiantrana, fiarovana ny tontolo iainana, fampanjakàna ny fahamarinana. Ny Papa Léon-XIV ihany koa dia mbola manohy izany, indrindra ny fiarovana ny aina... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Alahady faha-5 - Taona-D fankalazana ny Paka : Ny vokatry ny paka: hafaliana sy fitiavana. Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo, mifankatiava ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo. Azo lazaina ho toy ny didy miafina nampahalalana ny rehetra ny hafatra napetrak'i Jesoa mikasika ny fifankatiavana tokony hiainan'izay rehetra mpanaraka Azy. Ny namana voalazan'ny Evanjely dia tsy ireo iray finoana ihany na iray fiaviana fa ny olona rehetra izay tokony hanehoana fitiavana. Ny fitiavana ny namana ho an'ny Kristianina dia tsy vokatry ny fo mangoraka fotsiny fa tena fianarana an'i Jesoa Kristy mihitsy...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco