Antso tokana ihany no miantefa amin'ny olombelona rehetra dia ny antso ho amin'ny FAHAMASINANA. Ny lalana entina mamaly izany antso izany no misy sampanana maro ka anjaran'ny tsirairay ny misafidy izay lalana entiny manatratra izany fahamasinana antson'Andriamanitra ho an'ny olona rehetra izany. Ao ireo misafidy ny lalam-piainana amin'ny sakramentan'ny filaharana dia ny fiainana... Katesizy momba ny Lahka, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.
• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...
Andro sisa isaina, dia higadona indray ilay andro malaza, daty mana-tantara eo amin’ny tantaram-pirenena Malagasy. Tsy inona izany fa ny datin’ny faha 26 jona, hankalazana ny fetim-pirenena Malagasy… ny marimarina kokoa dia hankalazana ny tsingerin-taona niverenan’ny fahaleovan-tenan’i Madagasikara. Ny faha 26 jona 1960 tokoa mantsy no nanambarana ny fahaleovan-tenan’i Madagasikara tao aorian’ny dinika teo amin’ireo mpitari-tolona politika Malagasy sy ny fitondrana Frantsay tamin’ny fotoan’androny. Nahaleotena i Madagasikara nanomboka ny taona 1960, nefa mijanona ho firenena mifampiankina tanteraka tamin’i Fransa, noho ny fifanarahana fiaraha-miasa na ilay atao hoe “accord de coopération”.
23 jona — Teraka tao Castelnuovo any Asti ny taona 1811 i Joseph Cafasso. Zanak’olona tsotra izy, ary fahatelo amin’ny zanaka nateraky ny ray aman-dreniny. Ilay anabaviny nantsoina hoe Mariane moa no renin’ilay olotsambatra atao hoe Don Joseph Allamano. Hatramin’ny fahazaza i Cafasso dia nataon’ny olona hoe olomasina kely na tao amin’ny fianakaviany na tao an-tanana.
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco