23 jona — Teraka tao Castelnuovo any Asti ny taona 1811 i Joseph Cafasso. Zanak’olona tsotra izy, ary fahatelo amin’ny zanaka nateraky ny ray aman-dreniny. Ilay anabaviny nantsoina hoe Mariane moa no renin’ilay olotsambatra atao hoe Don Joseph Allamano. Hatramin’ny fahazaza i Cafasso dia nataon’ny olona hoe olomasina kely na tao amin’ny fianakaviany na tao an-tanana.

Tao amin’ny seminera tao Chieri izy no nandalina ny teolojia ary nohamasinina ho pretra ny taona 1833. Efa-bolana tao aorian’izay dia nifindra tao amin’ny Collège ecclésiastique izy, mba hanitatra ny fahalalany sy ny fiofanana maha pretra sy ny asa patoraly. Ary tao izy no nitoetra sy niaina nandritra ny andro rehetra niainany. Tamin’izany no nahalasa azy ho recteur tao amin’io sekoly io. Niainana tao amin’izany sekoly izany ny fiainam-panahy Masindahy Ignace, ary narahana ihany koa ny soridalana pastoraly sy ny ara teolojia izay naton’i Masindahy Alfonse Marie de Liguori. Ny fampianarana tao amin’izany sekoly izany dia notandrovina fatratra ary ny tanjona moa dia ny hanofana pretra mahay mampibebaka sy afaka mitory teny ary mampianatra tsara. Nandalina sy nianatra ny aim-panahin’i Masindahy François de Sales moa i Cafasso ary nampitainy tamin’ireo zandriny taty aoriana izany, indrindra fa tamin’i Don Bosco iray tamin’ny mpianany. I Don Cafasso no nintanana am-panahy an’i Don Bosco, ny 1841 ka hatramin’ny 1860. Nandray anjara tamin’ny fanofanana azy koa i Don Cafasso ary namolavola ny maha izy azy sy ny toe-panahiny. Iray amin’ireo fampianarana nomen’i Don Cafasso ny nanasongadina indrindra ny adidy andavan’andro ao anatin’ny fiainana ny fahamasinana.

Araka ny nambaran’i Don Bosco dia nanana toe-panahy niavaka i Don Cafasso, izany dia ny fanehoana isan’andro ny toe-panahy : mijery akaiky ny filan’ireo mahantra, mamangy sy manampy azy ireo eny na hatramin’ny ara-bola aza, mitondra fankaherezana azy ireo. Tsy nataony ambin-javatra ihany koa ny fitantanana ara-panahy ireo voafonja sy ireo voaheloka ho faty. Ary izay indrindra no nahatonga azy hoe “pretran’ny voafonja”. Malina sy tsy dia be resaka i Don Cafasso, mpitantana ara-panahy ireo pretra izy, ireo lahika, ireo mpanao pôlitika, sy ireo mpanorina fikambanana. Ny papa Pie XI aza moa dia niantso azy hoe “voahangin’ny pretra italianina”. Nanohana an’i Don Bosco sy ny fikambanana salesianina ihany koa i Don Cafasso, na ara-panahy na ara-pitaovana, hatrany am-boalohany niorenan’ny fikambanana.

Rehefa narary fotoana fohy izy dia nody mandry teo amin’ny faha-49 taonany izany hoe ny 23 jona 1860. Nasandratra ho olontsambatra ny taona 1925 izy, ary nambaran’i papa Pie XII ho olomasina ny taona 1949. Voalazan’io papa io fa ohatra ho an’ny fiainan’ny pretra i Don Cafasso : rain’ny mahantra, mpankahery ireo marary, mpanohana ireo voafonja, famonjena ho an’ireo voaheloka ho faty. Tao amin’ny Exhortations apostoliques “Menti nostrae” ny 23 septambra 1950 dia nambaran’i papa Ray masina fa ohatra sy modely ho an’ny pretra i Don Cafasso.

[Miara-dàlana] Zoma 27 desambra 2024

  • Nanolotra fiarahabana sy firarian-tsoa ho an'ny Noely, ireo Ray aman-dReny eo anivon'ny Fiangonana...
  • Nanao antso avo ho an'ny fandriam-pahalemana any amin'ireo firenena ravan'ny ady ny Papa François, ny alarobia 25 desambra 2024, tao anatin'ny hafatra ho an'ny Noely...
  • Ankoatra ny ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Pierre, dia nanokatra ny Varavarana Masina iray ao amin'ny fonja ao Rebibbia ao Roma ny Ray masina, ny 26 desambra 2024...
Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...