♦ Tontosa omaly ny fametrahana araka ny fomban'ny Eglizy an'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, ho Evekan'Antsirabe... ♦ Ny famelan-keloka no rivotra mamelona, manadio ny rivotra voaloton'ny fankahalana, hoy ny Papa François, tamin'ny fampianarany nandritra ny vavaka Angelus omaly... ♦ Tsy amin'ny fampiasan-kery na amin'ny fampiasana fitaovam-piadiana no hanorenana ny ho avy, fa amin'ny alalan'ny halemem-panahy, hoy ny Papa François, nandritra ny fihaonany, tao Roma, tamin'ireo vondron'olona mpino avy any Corée Atsimo, ny 16 septambra 2023...
♦ Hotanterahana ny 23 ka hatramin'ny 26 aogositra 2024 any Antsiranana ny Kôngresy Eokaristika fahatelo iombonan'ny Nosy eto Madagasikara... ♦ Manentana ny tompon'andraikitra isan'ambaratongany mba hikatsaka hatrany ny fandriampahalemana ny Fiombonan'ny Fivondronam-ben'ny Eveka eto Afrika sy Madagasikara... ♦ Manao fitsidihana any Chine i Mgr Zuppi, Iraka manokan'ny Papa François...
Anatin'ny vanim-potoana ialohan'ny fifidianana isika izao. Ny safidy no hahafahana mandray andraikitra eo amin'ny lafim-piainana rehetra, koa mahaiza mifidy dia hahazo sy hahita fahafaham-po ianao. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Notsofin-drano ny alahady 10 septambra 2023 ny fiangonana Olontsambatra Jacques Désiré Laval, ao Sahavôla Fenoarivo-Atsinanana... ♦ Notanterahina tao amin'ny diosezin'Antsiranana nandritra ny telo andro ny "Festival Diaconie de la beauté"... ♦ Nitsidika ny Papa François ny 11 septambra 2023, i Baselios Marthoma Mathews III, Metrôpôlitan'ny Eglizy malankara ortôdoksa ao Syrie...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco