23 jona — Teraka tao Castelnuovo any Asti ny taona 1811 i Joseph Cafasso. Zanak’olona tsotra izy, ary fahatelo amin’ny zanaka nateraky ny ray aman-dreniny. Ilay anabaviny nantsoina hoe Mariane moa no renin’ilay olotsambatra atao hoe Don Joseph Allamano. Hatramin’ny fahazaza i Cafasso dia nataon’ny olona hoe olomasina kely na tao amin’ny fianakaviany na tao an-tanana.
Ny volana jona dia iray volan'ny "Teny Malagasy", misy ireo hetsika fiarovana izany, isan'ireny ny Edition Ambozontany, nanao ezaka ho fiarovana ny teny sy ny fomba Malagasy nandritdra ny 70 taona. Taloha 18 taona ny tanora dia efa matotra, ankehitriny anefa dia sokajiana mbola ao anatin'ny vanim-potoan'ny fialantsakana ny tanora. Azo heverina ho vokatry ny fanabeazana tsy mifandanja izany : ara-batana, saina, fanahy. Mitotongana hatrany ny fari-pahaizan'ny ankizy sy ny tanora malagasy, mila fandraisan'andraikitra avy amin'ny tsirairay... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Miantso fifanakalozan-kevitra misimisy kokoa momba ilay tolo-dalàna mifehy ny omby eto Madagasikara ny ho lafitry ny dokotera mpitsabo biby mialohan’ny handaniana azy ao amin’ny antenimieran-doholona. Tolo-dalàna atolotry ny loholona Lalatiana RAKOTONDRAZAFY izay efa nanaovany tafa hoan’ny mpanao gazety ny antony anaovana azy io. Nambaran’ny ho lafitry ny dokotera mpitsabo biby fa izy ireo no mpisehatra voalohany momba ny fitsaboana biby eto Madagasikara ary ny omby tafiditra anatin’izany kanefa tsy mahafantatra ny votoatin’io tolo-dalàna io...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco