Lova sarobidy hoan’ny taranaka fara-madimby ny fampianarana sy ny fanabeazana tsara rindra. Iarahantsika rehetra manaiky izany. Tsy misy firenena vanona afaka mahatratra ny fandrosoana ihany koa raha tsy misitraka ny fanabeazana sahaza azy ny olom-pirenena ao aminy. Tsy azo atao ambanin-javatra, tsy maintsy atao laharam-pamehana amin’ireo sehatr’asa maro samihafa noho izany ny fampianarana sy ny fanbeazana raha te hanana taranaka mahatsangy no hary araka ny fiteny isika.
Adidin’ny Fanjakàna ny miantoka ny fampandehanana ny fampianarana amin’ny ankapobeny, saingy ny taon-trano tsy efan’ny irery. Mitana anjara toerana sy andraikitra goavana amin’izany koa ny avy amin’ny fampianarana tsy miankina. Tsikaritra nefa fa misy ihany ny mozana tsindrian’ila ary toa mitady handeha ila toa ny kiraron’i Beminahy ny fanavaozana ny rafi-pampianarana eto amintsika ka hita taratra indraindray ny fanilihana ny hafa.
Misy ary tena misy ny fifanakalozan-kevitra saingy mitaraina ny avy amin’ny fampianarana tsy miankina eto amintsika fa toa tsy mba henoina na iniana tsy raisina ny hevitra aroson’izy ireo sy ny zavatra manahirana azy ireo amin’ny fampandehanana ity fanabeazana sy fampianarana eto amintsika ity. Maro-lafy ny tranga misy ary izay fitondrana nisy teto amintsika hatramin’izay ka hatramin’izao dia nahitana taratra an’izany hatrany. Tsikaritra ny tsy fitovian-kevitra nisy teo amin’ny fampianarana tsy miankina sy ny Fanjakàna, rehefa misy ny fanavaozana hatao, ka mahasanganehana ihany indraindray.
Isan’izany ohatra ilay fandaharan’asa entin’ny Fanjakàna anamafisana ny fanabeazana, ny fizakan-tena ary ny fahafahan'ireo ankizy vavy sy ny vehivavy miharin-doha eo amin’ny fiainana sy iadiana amin’ny fanambadiana aloha loatra ihany koa, na ilay atao hoe EAGER.. Vao avy naneho ny heviny momba azy io moa ny Sekretera jeneralin’ny vaomieran’ny Eveka momba ny fanabeazana sy ny fampianarana katolika, Mompera RANAIVOSON Jules... Hirona hamonjy ny sekolim-panjakàna ve izany, hoy izy, ny ankizivavy mianatra amin’ny sekoly tsy miankina indrindra fa ireo sahirana ara-pivelomana, noho ny fisian’io fandaharan’asa iray io.
Ny alarobia faha 6-n’ny volana aogositra lasa teo moa no nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ireo mason-tsivana amin'ny fahazoana vatsim-pianarana sy ny fitantanana ny tahirim-bola ao anatin'ity fandaharan'asa ahafahan’ny ankizy vavy miatrika ny zava-misy sy ampahaleo tena azy ireo, natokana ho an’ireo firenena aty amin’ny faritra atsinanan’i Afrika na ny EAGER, vatsian'ny Banky Iraisam-pirenena vola, ka isan’izany i Madagasikara. Tanjon'ity fandaharan'asa ity ny fanamafisana ny fanabeazana, ny fizakan-tena ary ny fahafahan'ireo ankizy vavy sy vehivavy miharin-doha eo amin’ny fiainana. Tafiditra ao anatin'izany ny fanomezana vatsim-pianarana ho an'ireo ankizy vavy eo anivon’ireo Faritra marefo. Anisan'ireo mason-tsivana ahafahana misitraka izany vatsim-pianarana izany ny fianarana eo anivona CEG ao anatin'ireo faritra 16 iasan’ny tetikasa hoan’ireo ao amin'ny kilasy Taona faha 6, faha 7 na faha 8. Haharitra efa-taona ny fanatanterahana ny fandaharan’asa, manomboka amin’ity taona 2025 ity ary tsy hifarana raha tsy amin’ny taona 2029.
Mirotsaka amin’ny ray aman-dreny moa ny ampahany amin’ny vola ho azon’ny mpianatra ka natokana hividianana kojakojam-pianarana samihafa izany. Mandeha mivantana any amin’ny FEEFI kosa ny ampahany amin’ny vola, hanefana ny sara-pisoratan’anaran’ilay mpianatra. Farafahakeliny 2 alina sy iray hetsy Ariary ny vola azon’ny zazavavy iray amin’io fandaharan’asa EAGER io.
Toa tsy niheritreritra ny sekoly tsy miankina ny Ministera sy ny mpamatsy vola raha namolavola io fandaharan’asa iray io, araka ny fanamarihana avy amin’ny fampianarana tsy miankina, fa dia natokana hoan’ny sekolim-panjakàna ihany ny ankizivavy mpianatra misitraka azy. Ekena fa asan’ny fanjakàna ny fanabeazana araka ny voafaritra ao amin’ny lalam-panorenena. Saingy manana adidy sy andraikitra amin’izany koa ny fampianarana tsy miankina araka ny voalaza ao amin’ny andininy faha 25 ao amin’ny lalam-panorenena ihany.
Velona ahiahy noho izany ny fampianarana tsy miankina eto Madagasikara, ka isan’izany ny Sekoly Katolika. Mety hitarika fihenan’ny isan’ny mpianatra ao aminy io tranga io. Mety hitarika amin’ny fikatonanan’ny sekoly koa izany. Manana adidy ny sekoly katolika rehetra hanazava amin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra fa tena ilaina ny mampiana-janaka amin’ny sekolim-pinoana, fa tsy hosodokan’ny akanga tsara soratra fotsiny ihany. Tsara koa ny mahalala fa efa nandray anjara ary mandray anjara foana amin’ny tohana manoloana ny tranga sosialy misy ny sekoly katolika. Mijery an’ireo mahantra, mitsinjo azy ireny ka tsy mampandoa saram-pianarana hoan’ny zanak’izy ireo. Fanampiana manokana hoan’ny mahantra avokoa izany, ka na ireo sekoly katolika manana trano miezinezina an-tanan-dehibe aza dia manao izay adidiny izay koa.
Irariana ny hitohizan’ity fandaharan’asa EAGER ity, fa tsy hoe rehefa tapitra dia vita hatreo koa ny fanohanana an’ireo marefo. Tsy nihambahamba ny avy amin’ny fampianarana sy fanabeazana katolika nilaza fa “aoka kosa tsy atao filan-dratsy tsy mahita ny sekoly katolika” ka handondom-baravarana any amin’izy ireo indray ny ray aman-dreny hampianatra ny zanany rehefa ho tapitra ity fandaharan’asa ity.
Fa mahatsiaro fanilikilihana ihany koa ny sekoly tsy miankina manoloana ny fikarakarana ny fanadinam-panjakàna farany teo. Tranga izay tsy nisy olana tany aloha tany. Mahatsiaro ho voailikilika mantsy ny mpampianatra mpanabe amin’ny fandraisan’anjara amin’ny fikarakarana ny fanadinana, indrindra amin’ny fanaovana ny atao hoe “transcription” amin’ny fanadinana toa itony. Marihana fa ny Fanjakàna ihany, amin’ny alalan’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena, no nanao teny mita fa tompon’andraikitra feno koa ny mpampianatra any amin’ny tsy miankina amin’ny fikarakarana fanadinana. Endriky ny fanilikilihana ny mpampianatry ny sekoly tsy miankina koa ny tsy fahazoan’izy ireo ny “vacation” tokony ho azy ireo amin’ny fandraisan’anjara amin’ny fanadinana izay. Marina fa tsy karama no andehanan’izy ireo any fa asa fanasoavana hoan’ny taranaka, kanefa tsy tokony hisy kosa izay tombo sy ala izay fa zanaka iaraha-manana no hasoavina. Fotoana izao handinihana sy hametrahana aro fanina sao sanatria hitarika any amin’ny fanimbana ny zanaka malagasy izao tranga izao.
Ankoatra izay, nanao fanamarihana koa ny avy amin’ny fampianarana tsy miankina momba ny voka-panadinana ofisialy CEPE, BEPC ary BAKALOREA farany teo. Tena voka-panadinana tena izy ve no nivoaka tamin’iny taom-pianarana lasa teo iny? hoy izy ireo. Misy mantsy ny fahadisoam-panatenana. Tsy tranga iray fa maromaro. Misy ireo mpianatra nahazo laharana voalohany na faharoa na faha fahatelo tany amin’ny sekoly nisy azy kanefa tsy afaka tamin’ny fanadinam-panjakàna. Marina fa izay mahay manala fanadinana no afaka, saingy ny ahiahy tsy ihavanana ka tsy niambahamba naneho ny heviny momba izany ny fitantanana ny fampianarana sy ny fanabeazana katolika.
Mbola ahiahy moa ny azy ireo. Fa ny firaisamonim-pirenena, toa ny Transparency international tamin’ny fanadihadiana nataony, no efa namoaka fa misy ny kolikoly amin’ny sehatry ny fanabeazana eto amintsika, ary mitranga amin’ny lafiny maro izany. Ka saody efa tafiditr’izany koa ny fikarakarana ny fanadinana toa itony. Tranga izay efa nanairan’izy ireo ny tompon’andraikitra fa ho potika ny sehatry ny fampianarana sy ny fanabeazana ny ankizy sy ny tanora eto amintsika raha mitohy sy mihitatra ka tsy hikarohana vahaolana haingana ny zava-misy voarain’izy ireo nandritra ny fanadihadiana natao.
Mahakasika ny didim-panjakàna handraisana fanapahan-kevitra farany amin’ny fanovàna tiana hatao indray: Ny Vovonam-pirenena hoan’ny fitantanana ny sehatry ny fanabeazana na PNPSE, no rafitra manapa-kevitra farany amin’ny fanavaozana. Ny 2 amin’ny 44-n’ny mpikambana ao anatiny ihany nefa no avy amin’ny sekoly tsy miankina. Mazava ho azy fa tsy ahazo laka mihitsy ny soson-kevitra avy amin’ny tsy miankina na dia misy aza ny ady sisika mafy ataon’izy ireo fa ny hevitry ny maro an’isa no ankatoavina.
Isan’ny tratrarina amin’ny fanavaozana ny rafi-pampianatra eto amintsika koa ny hampitovy ny hahavo lentan’ny mpianatra na any ambanivohitra na andrenivohitra. Saingy mipetraka araka ny tokony ho izy ve ny lamina momba izany eto amintsika?
Hoan’ny Fitantanana ny Fampianarana sy ny fanabeazana katolika eto amintsika, dia azo tanterahana tsara izany rehefa miara-mientana ny rehetra amin’ny alalan’ny fanofanana ny mpampianatra. Hita taratra mantsy izany tamin’ny tombana natao amin’ny fanadinana katolika fanao isan-taona ireny. Ahatsapana fa efa mitovy lenta ho an’ny Sekoly katolika ny fampianarana na ambanivohitra na andrenivohitra. Maro ireo rafitra na eto an-toerana na iraisam-pirenena ary indrindra fa ny ray aman-dreny no mankasitraka ny fanadinana katolika.
Maromaro ireo tranga misy mety hampihemotra ny fanabeazana sy ny fampianarana eto amintsika. Ireo mahay sy zatra amin’ity sehatra iray ity aza efa nilaza fa potika ny fanabeazana eto amintsika. Ezaky ny daholobe nefa ny fanabeazana, ka tsy tokony hisy mihitsy ny fanilikilahana ny hafa manoloana ny fanavaozana ny rafi-pampianarana. Manao dingana lehibe ny sehatra tsy miankina amin’ny fanampiana ny fanjakana raha ny resaka fampianarana sy fanabeazan. Toa tsy hita taratra anefa ny fanampiana azy ireny fa zary lasa raisina ho mpifaninana. Zava-dehibe ny fifampisintonana hiakatra amin’ny sehatr’asa. Toa tsy tery ririnina, araka ny fitenin’ny Ntaolo anefa, ny seha-pampianarana sy fanabeazana eto amintsika, fa lasa kibay an-kelika ka tratran’ny tsindrio fa lavo ny sekoly tsy miankina. Aoka tsy ho tafiditry ny fisainana raiki-tapisaka eo amin’ny fanaovana politika politisianina ny sehatry ny fanabeazana ka rehefa tsy mitovy hevitra amin’ny tena dia raisina ho mpanohitra. Aoka hotazomina hatrany ny fahendren’ireo razambetsika tany aloha tLova sarobidy hoan’ny taranaka fara-madimby ny fampianarana sy ny fanabeazana tsara rindra. Iarahantsika rehetra manaiky izany. Tsy misy firenena vanona afaka mahatratra ny fandrosoana ihany koa raha tsy misitraka ny fanabeazana sahaza azy ny olom-pirenena ao aminy. Tsy azo atao ambanin-javatra, tsy maintsy atao laharam-pamehana amin’ireo sehatr’asa maro samihafa noho izany ny fampianarana sy ny fanbeazana raha te hanana taranaka mahatsangy no hary araka ny fiteny isika. any manao hoe “ny hevitry ny maro mahataka-davitra, ary ny volana imaso tsy mba kilema”. Ny hoavin’ny taraka fara-mandimby mba hahavanona azy ireo ara-panabeazana no tanjona ka tokony tandrovina toa ny anakandria-maso ny fiandrianam-pirenena.
Ny mpitondra mandalo, fa ny firenena mitoetra. Tokony handinika lalina mialohan’ny hanapahana hevitra ho an’ny hoavin’ny firenena sy ny zanaka malagasy isika manoloana ny atao hoe “dictature idéologique” ataon’ireo mpamatsy vola amin’ny mahantra sy ny firenena mahantra, hoy indrindra ny Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara, tamin’ny toriteniny nandritra ny Eokaristia fanamasinana ho eveka mpanampin’Antananarivo an’i Mgr RANDRIANIFAHANANA Mamiarisoa Modeste omaly teny amin’ny Kianjan’ny Kolejy Md Misely Amparibe. Marina fa mamatsy ny mpamatsy vola, kanefa tsy tokony ekena be fahatany ny hevitr’izy ireo noho ny faniriana te ahazo fanampiana sy famatsiam-bola fotsiny. Ary tsy voatery ho mety eto Madagasikara avokoa ny tetikasa aroson’ny mpiara-mikombon’antoka e. Misy ny rafitra mety any amin’ny tany efa mandroso na efa ahitana fandrosoana no ezahana adika eto Magasikara. Hany ka lany fotoana na ny mpianatra na ny mpampianatra, raha tsy hiresaka afa-tsy ny sehatry ny fampianarana sy fanabeazana, kanefa tsy hita taratra ny fiantraika miabo ny tetikasa. Aza manary ny akoho taman-trano e.
Hoan’ny Fampianarana tsy miankina, lafin-javatra telo ihany no takian’izy ireo amin’ny fanavaozana ny rafi-pampianarana. Voalohany ny lentam-pahalalana, izany hoe tsy mena-mitaha amin’ny hafa na eto an-toerana na any ivelany ny fanovana tiana hatao. Faharoa ny fanatontoloana, izany hoe mahafehy ny fanatontoloana ary ny fahatelo farany mamaly ny filàn’ny firenena. Raha voahaja ireo dia tsy misalasala miroso amin’izany ny avy amin’ny fampianarana sy ny fanabeazana tsy miankina, anatin’izany ny an’ny katolika eto Madagasikara.