Manana adidy ny hanarina ny fiaraha-monina ny tsirairay ; ny rehetra rahateo dia samy voakasiky ny hodidina telozoron'ny fanabeazana. Ireo mandrafitra ny telozoron'ny fanabeazana dia : Ny mpampianatra sy ny mpanabe, ny ray aman-dreny sy ny fiaraha-monina, ary indrindra ny Mpianatra tenany. Efa taon-jato roa no nisian'ny finoana kristianina teto Madagasikara fa indrisy mbola ezaka goavana ny fampandalàna ny fahamarinana sy ny fametrahana ny fahaiza-mitarika... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
27 febroary — Isan'ireo mponina antsoina hoe "Gaulois" i Honorine ary niaina tamin'ny faraparan'ny taonjato fahatelo. Maty martiry tamin'ny taona 303 izy ary natsipy tao amin'ny reniranon'i Seine ny fatiny.
Ny tsy fanjarian-tsakafo dia isan'ny tranga matetika hita amin'ny zokiolona, izany hoe 33% amin'ireo zokiolona. Ny tsy fanjarian-tsakafo dia tsy fahatomombanana amin'ny lafiny hery hoentiny, lanjany mifanahaka amin'ny toe-batana. Hita maso ety ivelan'ny vatana ny vokatry ny tsy fanjarian-tsakafo : fihenan'ny hadirin'ny vatana, ahiazana. Fisorohana : fifampiresahana amin'ny zokiolona... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
• Vinavinaina hitombo hery ato anatin'ny 24 ora ilay andro ratsy atsy amin'ny Lakandranon'i Mozambika, ka ahiana hivadika ho rivodoza. Hanohy ny diany hianatsimo atsinanana izy manomboka anio alina ka mety hanambana mivantana ny tapany atsimon'ny nosy amin'ny faran'ny herinandro... • Naneho ny fahavononany hiatrika ny fanamby hotratrarina amin'ny fanjarian-tsakafo i Madagasikara. Tamin'ny alalan'ny atrikasa fampisehoana sy fanomezana lanja ny fiadiana amin'ny tsy fanjarian-tsakafo, natao teny amin'ny Novotel Alarobia, no nanehoana izany androany... • Nanao tombana ny asa vita niarahany tamin'ny fitondram-panjakana malagasy, ho an'ny taona 2024 sy ny fanamby ho an'ny taona 2025, ny fandaharan'asa iraisam-pirenena ho an'ny fampandrosoana na ny PNUD...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco