Maro ny voka-dratsy vokatry ny fihinanana paraky sy fifohana sigara, amin’ny tena sy ny manodidina, tsikaritra fa miha tanora ny mpanjifa azy ireo. Mahatratra eo amin’ny 4000 eo ny karazana poizina entin’ny setroka sigara: hhatra nicotine, goudron, monoxyde de carbone, cyanure d’hydrogène; etsy ankilany ny paraky dia manana taha mihoatra lavitra ny nicotine ao anatin’ny sigara telo fohana. Mila fiaraha-mientana ny ady amin’ny fifohana sigara sy fihinanana paraky... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
• Miantso ny rehetra handray anjara amin'ny fikaonandoham-pirenena ny FFKM. Tsy hihemotra intsony ny fitarihana izany, hoy ny Filohany, tamin'ny famaranana ny Komity Foibe faha-47 androany, teny Antanimena... • Hakana hevitra eny Antaninarenina ny mpanjifa rehetra, hanavaozana ny tontolon'ny fanjifana eto Madagasikara. Lohahevitra maro mifandray amin'ny fanjifana no handraisana hevitra amin'izany... • Natao ho andro tsy fiasana nefa handraisan-karama ny alarobia 27 mey 2026. Miantso ny mpampiasa handray fepetra mifanaraka amin'izany ny Minisiteran'ny Asa sy ny Asam-panjakana...
Ny reny no tompon'andraikitra voalohany hampita amin'ny zanany vavy ny hahareny azy koa amin'ny ho avy. Noho izany, manana adidy izy hampiseho fahamendrehana amin'ny lafiny rehetra. Misy toetra fototra tokony hananan'ny reny dia ny fahamendrehana amin'ny lafiny fitafy, fihetsika, fiteny ary indrindra ny fahaiza-mihaino... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Ny Hainteny : Lahabolana mirindra, feno ohatrohatra enti-mampita hevitra amin'ny fomba miolaka, amin'ny ankapobeny dia ifamaliana ity karazana lahabolana ity, izany hoe misy miantso (antso) dia misy manoina (setriny). Misy ihany anefa ny hainteny tsoa-tokana, arakaraka ny votoatiny. Ny Merina no miangaly ny hainteny amin'ny maha hainteny azy, satria mety hisy karazan-dahabolana mitovitovy aminy fanaon'ny foko na faritra hafa. Amin'ny ankapobeny dia fifampiantsiana fitiavana eo amin'ny lehilahy sy vehivavy ny hainteny...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco