Mamokatra mangahazo 3 tapitrisa taonina eo ho eo Madagasikara araka ny tarehimarika ny taona 2022. Mahatratra eo amin’ny 7,5 taonina isaky ny hektara ny vokatra miakatra. Manodidina ny 4 hetsy hektara ny tany amokarana mangahazo eto amintsika. Natokana ho sakafon’ny olombelona ny ampahany amin’ny mangahazo eto Madagasikara. Ny 60 isanjato, manodidina ny 8 hetsy sy iray tapitrisa taonina kosa dia natao ho sakafon’ny biby fiompy...
Ny 23 avrily no andro fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny mpanoratra sy ny vaky boky. Efa misy fomba maro izao entina hanaovana ny vaky boky, indrindra vokatry ny fandrosoana ara-teknôlôjia. Isan'ny fitaovana manampy ny tsirairay hivelatra, hamantatra zava-baovao, afahana mampiana-tena, mampatoky tena manoloana ny olona, manampy amin'ny fahaizana manapa-kevitra... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
• Hiaro ny tombontsoan'i Lafrantsa eto Madagasikara no tena antony hahatongavan'Andriamatoa Macron eto amintsika, hoy ny mpitarika ny antoko Teza... • Hiakatra 47 % ny haba alain'ny fanjakana amin'ireo vokatra malagasy haondrana any Etazonia. Hiteraka fitotongan'ny fanondranan'i Madagasikara entana any ivelany io fepetra io, hoy ny Profesora Ralison Roger... • Nivondrona ao anatin'ny “Triade Syndicale” ny sendika telo eo anivon'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka. Tsy azo ekena ny fitoriana ny mpitarika ny SISFIM, hoy ny sendikan'ny dokotera mpitsabo mpiasam-panjakana eto Madagasikara...
03 aprily — Niaina tamin'ny taona 1197 ka hatramin'ny taona 1253 i Richard. Teraka tao Angleterre izy, zanak'olona ambony razana izy ka nanan-karena be nefa vetivety foana dia nikorosy fahana ary tao aorian'ny nahafatesan'ny ray aman-dreniny dia nigadra noho ny trosa ny lahimatoa tamin'izy ireo.
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco