Avy amin'Andriamanitra ny aina ary antso mitaky andraikitra, fa fitahiana sy lova ihany koa. Loharanon'ny fifaliana sy ny fanantenana ny aina ka tokony horaisina, hovelomina ary harovana amin'ny toe-javatra rehetra. Ny aina dia tsy mijanona amin'ny fahaveloman'ny tena fa mitohy aminny hafa... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - Fikasan'Andriamanitra ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.
• Resabe ilay sarivongana vaovaon'ny Filoha Philibert Tsiranana ao Antsohihy, nandritra ny hets-pankalazana ny datin'ny 14 ôktôbra omaly. Nosoloina ny teo aloha izany sarivongana izany androany... • Nampanantena ny tsy hisian'ny delestazy intsony ny Profesora Solofo Jonnis, raha hotrandrahantsika ny menaka mavesatra any Tsimiroro. Sonian'ny Filohan'ny Fanavaozana sisa andrasana... • Lasa misy tsy fahatomombanana ny “Airbag” amin'ny fiara marika Toyota sy Mitsubishi sasantsasany miasa eto Madagasikara. Hisy ny fepetra horaisin'ny Foibe Fitsarana fiarakodia...
Ilaina ny fahafantarana ny tantara, ny 14 oktobra dia daty manana ny tantarany ho an'ny firenena Malagasy, nahaterahan'ny Repoblika Voalohany. Nankalazaina ary natao ho fety hatramin'ny taona 1972, ny andro nahaterahan'ny Repoblika. Taty aoriana dia natambatra tamin'ny fankalazana ny 26 jona ny fetin'ny Repoblika sy ny fetin'ny Fahaleovantena. Nisy ireo dingana nolalovana mialoha ny 14 oktobra : ohatra ny 1944 nisian'ny Conférence de Brazzaville, izay niresahana ny famotsorana ireo firenena voazanaka ; teo koa ny Conférence de San Francisco ny taona 1945... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...
• Hanamarika ny fetin'ny fanafahana ny Malagasy, rahampitso 14 ôktôbra. Mijanona ho andro fiasana anefa ny rahampitso, araka ny fampitam-baovao avy amin'ny Primatiora... • Naneho hevitra momba ny fanadihadiana natao amin'ny fampiharana ny fanomezana taratasy miantoka ny maha ara-biolojia ny vokatra ara-pamokarana ho an'ny tsena eto anatiny ny mpisehatra androany... • Mandray anjara amin'ny asa fanadiovana ny tanana, ho fiarovana ny tontolo iainana eto an-drenivohitra, ny Orange Madagasikara. Misy ny hetsika “Tanana madio”, tanterahana nanomboka ny 8 ôktôbra lasa teo, hatramin'ny androany, tamin'ny tanana samihafa...
• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco