Ny aretina mpahazo ny tenda dia aretina misy mandavan-taona, ary mety hahazo ny olona rehetra. Ny Aretin-tenda dia misy karazany maro: mety ho vokatry ny olana mahazo ilay kambon-tenda, amygdalite, pharyngite, laryngite... Ny anton'ny aretina dia fisian'ny tsimok'aretina na otrik'aretina manafika ny tenda, tsy fahazakana hatsiaka, tsy fahazakana sakafo sasatsasany. Ny tenda dia manomboka ao amin'ny ati-vava ka isan'izany ny kambon-tenda izay taova mpamorina hery fiarovana ho an'ny olombelona. ... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
• Tontosa ny 4 sy 5 aogositra ny fihaonana voalohany nataon'ny SCEAM ho fanomanana ny "Fihaonam-ben'ny Eglizy 2028"... •Tanterahana ao Befandriana Atsimo ny JMJ 7 ao amin'ny Diosezin'i Morombe... •Fanehoana fanantenana ny vavaka hoy ny Papa Léon XIV...
Efa mahasarika mpanjifa avy any ivelany ny Foara Iraisam-pirenena hoan’ny toekarena eny ambanivohitra eto Madagasikara na ny FIER MADA. Mpanjifa avy atsy Afrika Atsimo, any Belgique ary atsy amin’ny nosy La Reunion no efa nilaza fa ho avy hividy ny vokatry ny tantsaha. Nivoitra izany nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny FIER MADA andiany faha 27 amin’ity taona ity. Hetsika ara-toekarena tanterahana eny amin’ny kianjan’i Makis Andohatapenaka ao Antananarivo Renivohitra nanomboka ny alarobia 06 Aogositra hatramin’ny alahady 09 Aogositra izao...
• Mety hisy ny fifanarahana politika, aorian'ny fihainoan'ny Filohan'ny Fanavaozana ireo ankolafin-kery politika ankehitirny... • Hiantraika amin'ny fiharian'ny sehatra tsy miankina ny hampakaran'ny Banky Foibe ny tahan-jana-bola fototra, hoy ny mpahay toe-karena iray eo anivon'ny CREM... • Nahazo Filohan'ny Delegasiona Manokana hitantana azy ny Kaominina Ambanivohitra Antsirabe. Ansian'ny fanambin'ny PDS ny momba ny karaman'ny mpiasa tsy voaloa nandritra ny volana maro...
• Notendren'ny Papa Léon XIV ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera Mariusz Kasperski, Curé an'ny Fiangonana Masindahy Eugène de Mazenod ao Toamasina... • Diakra 11 no hamasinina ho pretra eto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny sabotsy 22 aogositra 2026... • Hotanterahina ny 26 hatramin'ny 29 aogositra 2026 ny “Camp vocationnel” ho an'ireo tovolahy, karakarain'ny pretra Carmes de Marie Immaculée...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco