Araky ny singa ara-tsakafo tsy ampy ao amin'ny zaza iray ny aretina mety hahazo azy ; ny alibotry dia ny tsy fahampian'ny "protide", ny alifisatra dia tsy fahampian'ny sakafo mitondra hery "glucide". Maro ny ray aman-dreny no tsy mahay mampisakafo ny zanaka, indrindra ny tsy fahafantarana ny singa ilain'ny vatana sy ny fahasamana anaty sakafo. Ny sakafo dia tokony hifanaraka amin'ny taona, fahasalamana misy amin'ny zaza... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Nanapa-kevitra hividy ny tahirim-barin'ireo tantsaha sy ny mpanangom-bokatra ny orinasam-panjakàna SPM, eo ambany fiahian'ny ministeran'ny varotra sy ny fanjifàna, ho fitsinjovana ireo tantsaha mpamokatra manoloana ny fidinan'ny vidim-bary. Isan'ny misitraka izany ny ao amin'ny tompon'andraikitra sy ny tantsaha ka niafara tamin'ny dinika nanapahan-kevitra tao Imerintsiatosika. Nambaran'ny solombavambahoaka Ranarivelo Lucien fa latsaka ambany noho isan-taona ny vidim-bary tany amin'ny tantsaha tamin'ity taona ity ka maty antoka ireo nanao tahiry tany an-tsopitra...
Vitsy ny olona manaiky ny fahadisoany satria very sy mihena ny fanajan'ny hafa azy ; antony tsy handraisan'ny tanora andraikitra ny tahotra ny ho diso, na ihany koa tahotra sao tsarain'ny hafa. Ny fomba afahan'ny tanora mandray andraikitra dia entanina hanapa-kevitra tsikelikely dieny mbola zaza ary mba hihevitra sy hanome lanja ny tenany, atao fantany fa ny fahadisoana dia fanombohana amin'ny fanatsarana vaovao... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
• Tokony ho vita sonia amin'ny sabotsy izao, farafahatarany, ilay tondrozotra hitondrana ny firenena, araka ny toromariky ny SADC sy ny Vondona Afrikana... • Vola maherin'ny 136 871 000 000 Ariary no niogiazan'ny ARAI tamin'ny taona 2025, noho ireo vola ireo azo tamin'ny tsy rariny. Nitatitra ny asa vitany ho an'ny taon-dasa ity sampan-draharaha ity androany... • Tambajotra goavana no ao ambadiky ny fakana an-keriny sy ny famonoana olona manana toe-tena varira eto Madagasikara, hoy ny fikambanana Albinos androany...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco