Ny teny hoe Avent dia avy amin'ny teny latinina hoe:"adventus" izay midika hoe: "Ho avy". Manana tanjona roa ny vanim-potoanan'ny Fiaviana dia ny fotoana hiomanan'ny Kristianina amin'ny Noely ary fotoana hifantohan'ny saintsika amin'ny fiandrasana ny fiavian'ny tompo fanindroany amin'ny farandro. Miovaova isan-taona ny daty fanombohan'ny Fiaviana. Mizara herinandro efatra ary eo anelenelan'ny 27 Novambra sy 03 Desambra mazàna no fanombohany. Ny fanombohan'ny Avent, tamin'ny herinandro lasa teo no taom-baovaon'ny Eglizy, hidirana amin'ny taona litorzika vaovao, araka izany dia tafiditra indray ao anatin'ny taona litorzika, taona D isika izao.
• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco