Isany fototra hatongavana ho amin'ny fandrosoana ny safidy, izay fahafahana misy eo amin'ny tsirairay, indrindra ho an'ny olom-pirenena. Safidy ratsy ny fanapotehana ny ho avin'ny ankizy, indrindra izay mahakasika ny fanabeazana ; ny fanaovana tsinotsinona ny lafiny ara-panabeazana dia fanimbana ny fototry ny fampandrosoana. Ny fitiavan-tanindrazana dia ny fanomezan-danja ny soa iombonana ho an'ny vahoaka 30 tapitrisa eto amin'ny nosintsika. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Nahavita ny fihaonana notanterahana teto Madagasikara ireo lehiben'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco manerana ny Faritr'i Afrika sy Madagasikara, miaraka amin'ireo solontena isaky ny Province... ♦ Hihena hatrany amin'ny 80% ny delestazy ho an'Antananarivo sy ny manodidina, hoy ny Tale Jeneralin'ny Jirala androany. Ankoatra ny tsy fahampian'ny rano ao Andekaleka dia nanampy trotraka ny tsy fahampian'ny menaka mavesatra avy any Toamasina... ♦ Nanatanteraka hetsika ho firaisan-kina manoloana ny zava-nanjo ny namany, ny Sendikan'ny Mpitsara eto Madagasikara...
Zava-misy : mampiavaka an'i Madagasikara ny oratsimba (langouste) anatin'ny vanim-potoana fanjonoana azy ity ny faritra maro manerana ny nosy. Inona no tombony azon'ny mponina amin'ny faritra misy azy?. Fandaharana " zava-misy" iarahana amin'i Rasamimanana Marc.
Fizarana ny traik'efam-piainana niarahana tamin'i Gisela, mahakasika ny sinaodin'ny tanora, Sinaody ho fankalazana ny faha-200 taona ny nofin'i Don Bosco, izay natao tany Turin ny 11 hatramin'ny 16 Aogositra lasa teo... Fandarahana "onjam-panahy" iarahana amin'i Anna Domoina eto amin'ny RDB.
• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco