Victoire Rasoamanarivo no maneho indrindra ny anjara toeran'ny laika ao amin'ny Fiangonana katolika eto Madagasikara. Nentiny nanompoana ny mpiara-monina ny aim-panahy azony tamin'ny finoana sy ny vavaka.
♦ Tsingerina eo amin'ny fiainan'ny olombelona : Fahaterahana, zaza mena-vava, ankizy, tanora, olon-dehibe, antitra, fahafatesana... ♦ Famaritana ny atao hoe fahanterana : Dingana faratampony amin'ny fivoaran'ny zava-mananaina.. ♦ Arakaraky ny olona tsirairay avy ny endriky ny fahasamihafana eo amin'ny fahanterana...
Alahady 08 nôvambra 2020 — Alahady faha-32 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 25, 1-13 — Miambena sy mivonòna ianareo fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona.
Betsaka ny olona tratry ny fahatapahan'ny lalan-dra, tsy mifidy taona intsony ankehitriny. Misy karazany roa ny trangan'aretina mikasika lalan-dra: ♦Tsentsina ny lalan-dra any amin'ny faritry ny loha... ♦ 20% tapaka lalan-dra mihitsy...
Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco