Victoire Rasoamanarivo no maneho indrindra ny anjara toeran'ny laika ao amin'ny Fiangonana katolika eto Madagasikara. Nentiny nanompoana ny mpiara-monina ny aim-panahy azony tamin'ny finoana sy ny vavaka.

Nandritra ny fotoana tsy naha-teo ny misionera, dia izy no nanampy ny kristianina katolika hiaina ny finoana sy hiray hina hatrany, ka niara niasa tamin'i Frera Rafiringa izy tamin'izany.

Arahantsika amin'ity fandaharana ity ny hafanam-po sy ny hatsaram-panahin'i Victoire Rasoamanarivo, ilay Olon-tsambatra malagasy voalohany, iarahana amin'i P Abdon Rafidison, Recteur de Théologat , Faliarivo-Antananarivo

0 : 00

 

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...