Fantaro sy tandrovy ny rano satria antoky ny fahasalamana. Noho ny zava-misy ankehitriny indrindra ny fahasarotan'ny fahazoana rano fisotro madio sy ny tsy fiavian'ny orana, dia tsara ny hifanentanana mba samy hitandrina amin'ny fitantanana ny rano ny tsirairay. Ny olona miahy ny rano dia mitsimbiny ny aina, ny rano no fototry ny aina, ohatra ny 80% ny tenan'ny zaza dia rano avokoa. Mila manao ezaka ny tsirairay mba hikajiana ny rano izany hoe mametraka ny paik'ady fitsitsiana. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana vaomieran'ny fahasalamana, eo an'ivon-toerana Arrupe.
Tsy misy olona hanana herim-po hino fa tia azy Andriamanitra raha tsy mahalala an'i Jesoa ; ny fahalalana an'i Jesoa no hahafahantsika mahatakatra ny fitiavan'Andriamanitra. I Kristy nofantsihana teo amin'ny hazofijaliana no herin'Andriamanitra sy fahendren'Andriamanitra ; Ray mahefa ny zavatra rehetra Andriamanitra porofon'izany ny fitsimbinany antsika... Katesizy momba ny vavaka sy ny Trinite Masina, iarahana amin'i Frère Grégoire Ramahefarisoa, OSsT.
Ny olom-pirenena vanona dia ireo maharaka ny zava-misy eo amin'ny firenena, ary tompon'andraikitra mivantana amin'ny fampandrosoana ny tanindrazana. Ny safidy no fanalahidin'ny fandrosoana, amin'ny alalan'ny fifidianana toy izao fifidianana Ben'ny tanàna sy mpanolontsaina izao. Tsy afa-misaraka ny fitiavana sy ny maha olom-pirenena. Antony tsy hisian'ny fandrosoana : ny tsy fahalalana, ny fanambakàna, fampiorohoroana, tsy fahamarinana, kolikoly ary ny tsy fahandriam-pahalemana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco