Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
26 jona — Nataon’ny Fiangonana hatsiarovana an’i Masindahy Jean sy Paul, martiry niaina tamin’ny taonjato fahefatra, ny andro androany. Mpirahalahy i Jean sy i Paul, zanak’olona ambony saranga teo amin’ny fiaraha-monina izy mirahalahy ireto. Nitoetra tao Roma izy ireo ary niasa tao amin’i Constance zanakavavin’ny amperora Constantin.
Mivoatra ny tontolon'ny fanabeazana, indrindra manoloana ny fivoaran'ny haino aman-jery. Talohan'ny taona 2000 dia tsy nizarazara ny hevitry ny olona manoloana ny tranga sy ny zava-misy notanterin'ny haino aman-jery satria vitsy ireo orinasa nisehatra tamin'ny serasera. Ny fanabeazana tamin'izany dia nisy akony tsara, fa ankehitriny dia maro ny misehatra amin'ny seresasera, ary tsy misy sivana akory aza ny zava-misy aparitak'izy ireny... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
• Nidina ifotony nankahery ireo niharam-boina sy nidonam-pahoriana noho ny fanapoizinana ara-tsakafo tao Ambositra androany, ny Minisitra efatra ao amin'ny Governemanta. Miisa 11 no maty hatramin'ny androany... • Noraisina tamin'ny fomba ofisialy tetsy amin'ny CCI Ivato ireo fiara lehibe fitateram-bahoaka na ny bus mandeha amin'ny herinaratra sy mandeha amin'ny gasoil. Miisa 12 ireo mandeha amin'ny herinaratra raha 30 kosa ireo bus mandeha amin'ny gasoil... • Notokanana androany teny Analakely ny tsangambato faha-65 taona niverenan'ny fahaleovantenan'i Madagsikara. Nisolotena ny Filohan'ny Repoblika tamin'ny fitokanana ny Minisitry ny Foloalindahy Malagasy...
• Nodimandry androany teo amin'ny faha-98 taonany, i Mgr Raymond Razakarivony, Eveka emeritan'ny Diosezin'i Miarinarivo... • Manoloana izao zava-misy eto Madagasikara izao, dia ny fahaverezan'olona sy ny fahafatesan'olona, dia misy ny fanambarana sy ny fanentanana ary ny hafatra avy amin'ny Finvondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... • Asehon'i Kristy ny fahalalahan-tananan'Andriamanitra mpamafy ny teny. Navoitran'ny Papa io nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco