♦ Notokanana tamin'ny talata 16 jolay 2024, ny toerana izay misy ireo Masera Notre-Dame du Mont Carmel avy any Inde. Hiasa ao amin'ny faritra Avaradrano, Diôsezin'i Morondava... ♦ Nanomboka ny alakamisy teo ny andiany faha-40 amin'ny Fihaonambe sy Filankevitra Nasiônaly tanterahan'ny ACUM... ♦ Tanterahana any Asuncion, renivohitr'i Paraguay, nanomboka ny alatsinainy teo ny Fihaonambe faha-21 ho an'ireo miandraikitra ny Pastôralin'ny Tanora any Amerika Latina sy ny Nosy Caraïbes...
Mankalaza ny faha-20 taona nijoroany amin'ity taona ity ny UNION MATANJAKA, fikambanamben'ny tantsaha mpamboly sy mpiompy misandrahaka ao amin'ny Distrikan'Antsiranana faharoa. Tsenabe atao ao Antsiranana ny 18 hatramin'ny 20 jolay 2024 no anombohana izay fankalazana izay.
Noharian’Andriamanitra ho lahy sy vavy ny olombelona mba hampitohy asa fahariana nankininy amin’izy ireo. Noho izany ilaina ny fahafantarana ny toe-batana amin’ny maha-lahy sy maha-vavy io, mba ahafahana mikajy sy mitandrina azy. Adidin’ny ray aman-dreny ny mampahafantatra sy manabe ny zanany dieny mbola kely izy, mba hahay hanavaka ny maha-izy azy , na lahy na vavy. Ny toetoetra ara-boajanahary na ara-biolojika dia samy manana ny maha-samy hafa azy na ny lahy na ny vavy. Fandaharana "miaina sy mitia" hiarahana amin’ny Vaomieran’ny Eveka, eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
I Môizy dia notendrena ho mpanelanelana, izany hoe mpitondra ny hetahetan'ny olona eo amin'Andriamanitra sy mpitondra ny tenin'Andriamanitra amin'ny vahoaka, fa niombona hatrany tamin'ireo vahoaka ireo izy, indrindra tamin'ireo fakam-panahy sy fahotana ; sady olon'Andriamanitra noho izany i Môizy no mbola akaiky ny vahoaka ihany koa, vokatr'izany dia mangoraka sy mamindra fo amin'izy ireo izy... Katesizy momba an'i Môizy, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco