Ny torimaso tena mety ho an'ny fahasalamana dia tokony haharitra 7 hatramin'ny 9 ora isan'andro, ka raha mihoatra ireo dia sokajiana ho olona be-torimaso ny olona iray. Ilaina ny fialan-tsasatra anatin'ny tontolo andro ka tsy tokony hihoatra ny 1 ora. Raha be-torimaso ny olona iray dia tokony hanao fizahana ara-pahasalamana satria azo sokajiana ho fambarana tsy fahatomombanana ara-pahasalamana na mety ho efa aretina mihitsy. . Fambara : sahirana rehefa mifoha maraina, miherotra loatra, resi-tory tampoka (torimaso fotsy)... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
• Nanomboka omaly ny Fihaonamben'ny Pretra Diosezanina, any amin'ny Diosezin'Antsirabe. Pretra manodidina ny 1126 no miatrika izany… • Hifarana rahampitso 14 novambra 2026, ny fisoratana anarana ho an'ireo rehetra hiatrika ny famaranana ny fankalazana ny faha-800 taonan'ny Pakan'i Md François… • Nihaona tamin'ireo niharan'ny fanararaotana tao Lima, ny Papa Léon XIV…
Misy fivoarana ny famokarana ara-biolojia eto Madagasikara. Nodinihana teto andrenivohitra tamin’ny alalan’ny atrik’asa teny Ankerana ny volana oktobra 2026 ny vokatry ny andrana natao tamin’ny faritra miisa telo, dia i Vakinakaratra, Analamanga ary Itasy momba ny rafitra manome taratasy, miantoka ny maha ara-biolojia ny vokatra ara-pamokarana, miorina amin’ny fahatokisana, ny fangaraharahana ary ny fandraisan’anjara miaraka na ny Système Participatif de Garantie-SPG...
Manana anjara toeana lehibe amin'ny fanabeazana sy fanomanana ny ankizy hiatrika ny ho avy ny sekoly, ny Fiangonana ary ny fiaraha-monina, amin'ny alalan'ny fiaraha-miasa sy ny fanabeazana ara-tsaina, ara-moraly ary ara-panahy. Ny fanorenana ny ho avy tsara dia miainga ao amin'ny fianakaviana amin'ny fifandraisan'ny mpivady izay tokony hiorina amin'ny fifankatiavana, fifanajana ary fifampiresahana. Modely ho an'ny zanany ny ray aman-dreny ka andraikiny ny mampita soatoavina tsara toy ny fanajana, fifampitsinjovina, fahamarinana ary fandraisan'andraikitra... Fandaharana "Fibeazana Miaina sy Mitia", iarahana amin'ny Centre Arrupe Madagascar...
• Nafindra ho isaky ny Alahadin'i Kristy Mpanjaka ny Andro Maneran-tany ho an'ny Tanora isaky ny Diosezy, nanomboka ny taona 2021… • Higadona rahampitso ao amin'ny Diosezin'i Tsiroanomandidy ny “reliques” an'i Md François d'Assie, manohy ny fitetezam-paritra ataony mialoha ny famaranana ny Jobily faha-800 taona nahafatesany… • Mitovy avokoa isika rehetra eo anatrehan'ny lalàn'Andriamanitra, hoy ny Ray masina nandritra ny vavaka Angelus omaly…
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco