Manana ny anjara toerany lehibe ny tantaram-pirenena, izay mamolavola sy manomana ny olom-pirenena vanona, mahalala ny toerana sy ny andraikiny ary ny adidiny eo amin'ny firenena. Zava-misy ankehitriny anefa maro ny olona no tsy mahalala ny tantaran'ny firenena. Ny olona verezin-jo, ara-toekarena, ara-pitantanana, ara-panabeazana sy amin'ny lafin-javatra samihafa dia toy ny miaina ao anaty fanandevozana amin'ny endriny vaovao... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Mamarana ny taon-tsekoly ny any am-pianarana, ary efa manomana sahady ny fandaharam-potoana ho an'ny taona manaraka. Ny sekolin'ny ray aman-dreny dia mitondra amin'ny fivoarana ho an'ny tsirairay sy ny sekoly ary ny mpanabe. Ireo mandrafitra ny telozoron'ny fanabeazana no tena hiantefan'ny sekoly ho an'ny ray aman-dreny, fanatsarana ny fifandraisan'ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra ary ireo mpianatra... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
• Voaantso eny amin'ny PAC sy eny amin'ny BIANCO ny Sekretera Nasionalin'ny antoko AREMA, Annick Zoary Ratsiraka... • Tena miaina anaty fiaraha-monina hafahafa ny eto Madagasikara ankehitriny, hoy ny CRN. Marolafy mantsy ireo zavatra mafampana izay ahiana hitarika amin'ny korontana... • Ho entina aminao mpihaino amin'izao vaovao izao koa ny vaovao farany momba ny tetikasa Base Toliara...
Ny Teny "kiswahili" dia efa nisy tamin'ny taonjato faha-10, nivelatra hatrany izy na teo aza ny tosika nentin'ny teny "Malais". Ny teny kiswahili dia fitambaran'ny teny Arabo sy ny teny Bantou. Ny Arabo no maro nandraharaha ara-barotra sy nivezivezy tamin'ny ilany Avaratra sy atsinanin'i Afrika. Maro ireo teny Malagasy no manandrify ny teny kiswahili (kamba ≈ Makamba, Nanasi ≈ Mananasy, Arahaba ≈ Miarahaba) Velona sy mivoatra ny teny Kiswahili, isan'ireny ny fampiasantsika Malagasy ny voambolana "FONJA" izay manana hevitra hoe fanidina amin'ny toerana iray, "FONGA" amin'ny teny Kiswahili...
• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco