Vehivavy mahery, miatrika ny vanim-potoana ankehitriny. Ny atao hoe vehivavy mahery dia vehivavy mahafantatra ny tenany, mankafia ny tenany ary tsara fifandraisana amin’ny hafa. Miteraka voka-tsoa ho azy sy ho an’ny manodidina azy izany…
Ny tokony hatao manoloana ny tranga rehetra mianjady ny olona mitondra ny "TERINTSAINA" na "STRESS".(24-03-2021)
Ny valan-javaboary Tsingin'ny Bemara ao Morondava dia misy biby maro toy ny gidro izay misy karazany 13, ka ny karazany 03 dia fahita amin'ny alina ary 10 ambiny dia amin'ny andro mazava. Toerana azo hitsangatsanganana tsara amin'ny alalan'ny lakana ny any Manambolo, misy koa ny zohy ahitàna stalactite sy stalagmite. Any amin'iny faritra iny koa no ahitàna ny fasan'ny vazimba, olombelona voalohany teto amin'ny Nosy... Ny bokiboky dia biby mpihinan-kena manta...
Ny fitiavan-tanindrazana dia azo hadika ho fampandrosoana ny tanindrazana niaviana. Ny andron'ny 29 marsa dia tsy ampy hampahalalana ny maro ny atao hoe fitiavan-tanindrazana noho izany dia manana adidy ireo mpisehatra ao anatin'ny telozoron'ny fanabeazana. Ny raiamandreny, ny mpampianatra, ny mpianatra dia manana zavatra mampiavaka azy ho fanehoana ny fitiavan-tanindrazana. Ny raiamandreny no mpanabe voalohany indrindra ka izy no hiaingan'ny fampianarana ny atao hoe fitiavanan-tanindrazana, isan'izany ny fomban-drazana sy ny fomba isam-paritra...
• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco