Ny hoe "miadana" dia midika hoe moramora izay mifanohitra amin'ny haingana : azo ambara koa hoe "tony" mifanohitra amin'ny saritaka sy tabataba. Ny fiadanana dia mahakasika ny lafiny maha-olona izany hoe ny ara-batana : salama, misakafo, afaka matory ; ny lafiny "ara-tsaina" kosa dia tony miatrika ny fiainana ; lafiny ara-po kosa dia mahazo sy mandray na mizara fitiavana ary mahay mifehy fihetse-po. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
8 mey 2024 — Alarobia, Herinandro fahenina Fankalazana ny Paka — Natsangan’Andriamanitra ho velona i Kristy, Ilay nahantona tamin’ny Hazofijaliana noho isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 16, 12-15)
♦ Nisokatra tamin'ny fomba ôfisialy androany, ny fivoriana ara-potoana voalohan'ny andrim-panjakana mpanao lalàna, amin'ity taona 2024 ity... ♦ Ilana vahaolana maharitra ny olana misy eny amin'ny anjerimanontolo, hoy ny Filohan'ny SECES... ♦ Mitaky fidinana ifotony, iarahan'ny rehetra, hanamarinana ny maha tsy tanimboly nohajarian'ny mponina aman-taonany ao amin'ny Kaominina Antaniditra sy Analasoa, Distrikan'i Moramanga, ny Fiangonana ao amin'ny Distrika Misiônera Amboasary Gara, Diôsezin'i Moramanga...
Ny fanandroana dia mety ho hain'ny olona rehetra. Ny mpanandro dia misy karazany telo : voalohany ny lovaina tamin'ny ray aman-dreny taloha, ny faharoa ireo nianatra, ary ny fahatelo dia ireo manandro an-kibo. Ireo manandro an-kibo dia ireo mahalala zavatra, ka ireo tsindrin'io hery io amin'ny alina dia antsoina hoe tsindrimandry ary ireo tsindrin'ny hery amin'ny andro mazava dia hitsakandro no ilazana azy. Ny vintana dia mifamatotra amin'ny finiavana satria ny vintana dia tsy miara-teraka amin'ny zaza fa tera-javatra hafa...
♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco