8 mey 2024 — Alarobia, Herinandro fahenina Fankalazana ny Paka — Natsangan’Andriamanitra ho velona i Kristy, Ilay nahantona tamin’ny Hazofijaliana noho isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 16, 12-15)

Anisan’ny hafatra napetrak’i Kristy, mialoha ny hiakarany any amin’ny Rainy, ny anjara toerana sy ny asan’ny Fanahy Masina ao am-pon’ireo Apôstôly sy ireo izay hino sy hanara-dia Azy koa. Ny Fanahy Masina no hanohy ny asa fanambarana nataony sy hampihaina izany ho an’ny ankehitriny. Miandry fotoana ny zavatra, fa izany no fomba namonjen’Andriamanitra an’izao tontolo izao, mandeha araka ny nandaharany azy. “Mbola manana zava-javatra holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny”. Izay noraisiny tamin’ny Ray tokoa mantsy no zarainy sy ambarany kanefa tsy zakan’ny mpianatra sy ho azony anatin’ny fotoana fohy. Fa eo ny Fanahy Masina manampy azy ireo amin’izany. Fa ho antsika kosa dia hoe: Ilana fandalinana sy fandinihana mandrakariva ny misterin’Andriamanitra, ary ao anatin’ny finoana, tsilovin’ny Fanahy Masina no ahafahana manao izany. Tsy indray maka eo amin’ny fiainana no hahazoana ny misterim-panavotana fa mila halalinina sy hiainana mandrakariva. Tsy nampanantena fotsiny ny Fanahy Masina i Jesoa, fa nanome antoka hahazoantsika ny marina rehetra, dia ny marina momba Azy, momba ny fampianaranany, momba ny fiainana, ny fahafatesany sy ny fitsanganany ho velona. Izay tsy zava-nisy nandalo fotsiny ho antsika olombelona navotany fa misteri-panavontana ho antsika: ao anatin’izany ny zavatra mbola ho avy; izany hoe: “ny vokatry ny fitsanganany ho velona, ny fizorantsika mankamin’ny fiainana mandrakizay.

Tsy misaraka fa tokana ihany ny asan’i Jesoa sy ny Fanahy Masina nampanantenainy dia ny hisokafan’ny fiainantsika sy hiainanatsika ny misterin’Andriamanitra. Koa anjarantsika ny mandinika isan’andro,miaraka amin’ny Fanahy Masina, ireo tenin’i Kristy, ny fampianarany, ny fijaliany sy ny fahafatesany ary indrindra ny fitsanganany ho velona.

Aza avela handeha ho azy ny fiainana, aza avelo ho entin’ny onjam-piainana sy ny rendrarendra, fa antsoy mandrakariva ny Fanahy Masina, mba hanampy hivoarana lalandava araka an’Andriamanitra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...