Nampiombona ny fitopin'ny mason'izao tontolo izao tao anatin'ny andro maromaro ny zava-misy any Vatican. Indreo fa samy niresaka, naneho hevitra, ary indrindra naminavina izay mety ho dimbin'i Md Piera ireo mpiserasera. Tsy ny mpino katôlika ihany fa na ny tany an-tokantrano, hatrany anaty fitateram-bahoaka, toeram-piasana, indrindra ireo mpampiasa tambajotran-tserasera dia voasarika tamin'ny zava-nisy tany an-toerana. "Izao no izy, tsy izany fa izao:..." tonga amin'ilay momba fiteny hoe: Katolika alohan'ny Papa mihitsy.
12 mey — Andeha i Md Nérée sy Md Achilée no ho resahintsika satria martiry niaraka izy ireo. Izy ireo dia mpanompon'i Masimbavy Flavie Domitilla, ary ny fitiavam-bavaka nasehony no nampibebaka an'io zanaky ny mpanjaka io, sy nahatonga azy nahatoky azy ireo.
Ny Papa dia dimbin'i Masindahy Pierre sy ny Apôstôly. Ny Cardinaly latsaky ny 80 taona rehetra no mifidy, dia izay feno 80 taona amin'ny faha-16 mey 2025 no zokiny indrindra. Tsy voatery izao ao anatin'ny "conclove" no azo fidiana ho Papa. Ny setroka fotsy dia manambara fa voafidy ny Papa, fa raha setroka miloko mainty no mivoaka amin'ny fantsona dia midika fa mbola tsy voafidy tamin'ny dingan'ny fifidianana ny Papa.... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
11 mey 2025 — Alahady Fahefatra Fankalazana ny Paka — Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho no fantany koa — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 10, 27-30)
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco