Ao anatin'ny iray volan'ny teny malagasy isika amin'ity volana jona ity. Sehatra sy/na fikambana vitsivitsy anefa no tena manamarika io iray volana io. Ny teny manentana amin'ity taona ity dia : izay tia ny teniny, tia ny taniny. Tsy afaka mifanerasera ny olona raha tsy misy ny teny izay vohizina hifaneraserana ary mifandray amin'ny tany. Ny hoe "teny" : voalahany adika ho voambolana ary faharoa dia fiteny. Ilaina ny famerenana ireo taranja sy fizàrana teny amin'ny ambaratonga fototra...
Alarobia 23 jona 2021 — Herinandro faharoa ambin'ny folo mandavantaona — Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’ny olombelona anefa, fa araka ny marina tokoa ho tenin’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 15-20
♦ Fankalazana amin'ny fomba ôfisialy ny fetin'ny 26 jona eny amin'ny Kianjan'ny Barea eny Mahamasina. Manomboka mametraka ny lamina ho an'ny fandriam-pahalemana ao anatin'ny kianja sy ny manodidina ny kianjan'i Mahamasina ny mpitandro ny filaminana, hoy ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka... ♦ Nahatratra 1 taonina isan'andro ny fako nateraky ny fitsaboana ny Coronavirus, nandritra ny vanim-potoana nampamaivay ny valan'aretina teto amintsika. Nitadiavam-bahaolana tamin'ny alalan'ny atrik'asa teny Antaninarenina ny hahafahana mifehy ny fitantanana izany fako izany...
Alahady 20 jona 2021 — Alahady faharoa ambin'ny folo mandavantaona — Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra ary voninahitra anie any amin’ny Avo indrindra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 4, 35-40
• Fiombonam-bavaka sy fiaraha-mientana amin'ny fanohanana sy fanampiana ny seminera no fandaharam-potoana isaky ny fetim-bokatry ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Zanaky ny Fiangonana miisa 220 mianadahy no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana omaly, namaranana ny fitsidihana pastoraly tao amin'ny Distrikan'Ambohimena, Diosezin'Antsirabe... • Nosokafana tamin'ny sabotsy teo teny amin'ny EKAR Masimbavy Anne Anjomakely, ny faha-10 taonan'ny Ansiklika Laudato Si...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco