Alarobia 23 jona 2021 — Herinandro faharoa ambin'ny folo mandavantaona — Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’ny olombelona anefa, fa araka ny marina tokoa ho tenin’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 15-20

Henontsika indray àry, ny fampianarana ataon’i Jesoa izay mampitandrina antsika amin’ny “mpaminany sandoka izay manatona anareo manao fitafian’ny ondry, nefa ao anatiny amboadia mitoha ; ny voany no hahafantaranareo azy". I Jesoa mampianatra ny fomba hahafantarana azy ireo dia amin’ny alalan’ny asany. Tahaka ny hazo amin’ny alalan’ny voany no ahafantarana azy. "Ny hazo tsara rehetra mamoa voa tsara, ary ny hazo ratsy rehetra mamoa voa ratsy".

Mampitandrina i Jesoa amin’ny famitahana na fanambakana ataon’ireo mpisandoka izay misora-tena ho miteny amin’ny anaran’Andriamanitra. Mety ho mamy sy malefaka fiteny fa ao anaty tena feno fitiavan-tena. Maro dia maro tokoa ny fiangonana miorina etsy sy eroa izay samy milaza ny fahamarinany, ary tonga amin’ny fanaratsiana ny Fiangonana izay naorin’i Jesoa mihitsy aza araka ny lovam-panahy nifandimbiasana. Ny Mpaminany araka ny Soratra Masina dia olona nofidin’Andriamanitra mba hampita ny hafany amin’ny vahoakany, hampibebaka azy ireo hiverina amin’ny lalan’Andriamanitra indray raha sanatria ka miala amin’izany izy ireo. Olona nantsoin’Andriamanitra hankahery ny vahoakany sy manomana azy ireo handray ny fampanantenan’Andriamanitra dia ny Mpamonjy.

Mety mifanohitra amin’izany no misy fa mety fandambolamboana mahasodoka ka mahatarika antsika mora foana. Raha mankaty aminay ianao sy miaraka aminay dia hanan-karena tampoka. Tongava omeo an’Andriamanitra ny ampahafolon’ny fanananao fa ho hampitomboiny zato heny izany ka hanam-be ianao, misy koa ny milaza fa izay miaraka aminay ihany no ho voavonjy. Henjana kosa no navalin’i Jesoa fa izay hazo tsy mamokatra dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo. Tamin’ny andron’i Joany Batista kosa, rahefa nahita ny Farisianina sy ny Sadoseanina betsaka nanatona ny beteminy izy dia hoy izy taminy. “Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy ? Koa manaova ary asa fibebahana mendrika tsara" (Mt 3, 7s). Tsy fombafomba ary ny fiainana kristianina, indrindra ny fitoriana an’Andriamanitra fa mitaky fibebahana marina. Tonga mpisorona, mpaminany ary mpanjaka isika rahefa avy nandray ny sakramentan’ny batemy. Mitaky fanahafana an’i Kristy izany. I Masindahy Paoly dia mitanisa ireo vokatra sivy avy amin’ny Fanahy Masina (Ga 5, 22) : fitiavana, fifaliana, fiadanam-po, faharim-po, hamoram-panahy, hazavam-po, tsy fivadihana, fahalemem-panahy, fahalalana onona.

Ny Fanahy Masina izay noraisinay anie hamokatra vokatra tsara amin’ny alalan’ny fanatanterahana ny fahasambarana valo sy ny fihainoana ny teninao amin’ny vavaka sy ny fahanginana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...