Miezaka manatratra ny fanamby napetraka hanofana olona iray tapitrisa mandritra ny 5 taona ahahafehy ny fomba fambolena Pfumvudza ny ao amin'ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana sy ny ONG PPC Madagascar. Ahitam-pahombiazana mantsy ny vokatra azo tao anatin'ny taom-pambolena iray raha y zava-misy ao amin'ny vala tahaka tety Ivato.
Ny 11 jolay dia natokana hankalazana ny andro iraisam-pirenena hoan’ny mponina, izay mitazona anjara toerana lehibe eo amin’ny fampandrosoana, satria sady mpisitraka izy no mpanatanteraka io fampandrosoana io. Araka izany dia ilaina ny fananana mponina ampy fanabeazana, ampy fahalalàna, manana sy manaja ny soatoavina, salama, miaina anaty fandriam-pahalemana... Ny fampandrosoana dia andraikitry ny tsirairay sy ny daholobe, fa tsy miankina manokana amin’ny olo-tokana samirery na vondron’olona. Fandaharana "miaina sy mitia" hiarahana amin’ny Vaomieran’ny Eveka, eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
Misy olona mihevitra fa raharahan'ny sahirana sy ny bado ny mivavaka. Ao amin'ny tantaran'ny fiainam-panahy dia lazain'ny philosophe antsoina hoe Blaise Pascal, ao amin'ny boky "le Memorial" fa Andriamanitr'i Abrahama, Andriamanitr'i Isaaka, Andriamanitr'i Jakôba fa tsy Andriamanitry ny Philosophe, Izy no fahamarinana, fahamatorana, hafaliana sy fiadanana, ilay rain'i Jesoa Kristy. Katesizy momba ny vavak'i Abrahama, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
♦ Tanin'ny Diôsezin'Antananarivo, mirefy 7 hatramin'ny 9 hekitara no misy mibodo eny Ilafy Ambohimangakely... ♦ Nihemotra adiny roa ny fanombohan'ny adina taranja anglisy ho an'ny foibem-panadinana maro tao an-drenivohitra sy tany amin'ny faritra, androany maraina. Niparitaka ny filazana fa nivoaka mialoha ny laza adina... ♦ Namoaka fanambarana ny sendikan'ny mpiasan'ny Minisiteran'ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak'asa. Nametraka fepetra izy ireo momba izay minisitra hotendrena hitantana io minisitera io...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco