Zava-dehibe ny famolahan-tena eo amin'ny fiainam-bavaka. Hasain'Andriamanitra hibebaka isika, hahay hampifanaraka ny toetrany amin'ny raharaha sahaniny, tokony hatsapa tena ireo manana andraikitra amin'ny fiaraha-monina. Izao Karemy izao no fotoana tsara hialana amin'ny fahazaran-dratsy : kolikoly sy ny fanararaotana isan-karazany, indrindra ireo mpitaky vola eny ifotony ho hetra, ireo mpitantana ara-bola. Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
9 marsa 2025 — Alahady Voalohany amin'ny Karemy — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 1-13)
Alahady voalohany – taona D, Karemy : Fahafoizana ho an’Andriamanitra ; Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra. Jesoa nalain'ny demony fanahy tany amin'ny tany efitra no resahin'ny Evanjely, ny demony dia antsoina hoe mpampisaraka amin'Andriamanitra. Ny tany efitra dia manambara ny fisitahana, fahanginana, fivavahana, ary manambara ny fisedrana (irery, anoanana, fakam-panahy...). Miala maina ny demony rehefa miankina amin'Andriamanitra sy ny teniny isika. Ny tena harena dia Andriamanitra irery, aoka isika hafoy ny rehetra noho ny amin'Andriamanitra...
Ny vehivavy no matetika no voapanga ho momba, anefa tokony aorian'ny fizaham-pahasalamana eo amin'ireo mpivady vao afaka milaza hoe iza amin'ireo mpivady no momba. Mila arahina maso akaiky ny fahasalamana ara-pananahan'ny vehivavy, vao teraka hatramin'ny fotoana maha maoty azy. Ny antony : tsy misy fahamasahan'ny atodinaina ao amin'ny vehivavy, fahatsentsenan'ny fantsona mitondra ny atodinaina, aretina fokatry ny firaisana ara-nofo, fikorontanan'ny fadimbolana. Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco