Ny Ray aman-dreny mandray andraikitra dia maharo ny zon'ny ankizy. Ny zo dia filàna ara-boajanahary, ny sokajin'olona tsirairay dia manana izany ary indrindra ny ankizy, mba afahany miaina malalaka sy hampivelatra azy. Mifamatotra amin'ny maha-olombelona ny zo. Misy zo fototra 10 iraisana maneran-tany : Zo hanana ankohonana, zo hanana anarana, Zo hitafy, zo hilalao, zo hianatra, zo hotiavina... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
• Miisa 17 ireo olona maty vokatry ny fihinana sakafo nandritra ny fety ny sabotsy teo. Tafakatra 14 ny isan'ireo maty teny amin'ny hopitaly Ravoahangy Andrianavalona androany maraina... • Nizotra am-pilaminana ny fanadinana CEPE manerana ny nosy, notanterahana androany. Nitsidika ny foibem-panadidina teny amin'ny CEG Avaradrova androany maraina, ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle... • Endriky ny tsy fisian'ny demokrasia ireny teny nataon'ny Praiminisitra teny amin'ny Lapan'ny Antenimeran-doholona omaly ireny, hoy ny filohan'ny Hery Politika Mitambatra. Endrika fandrahonana ny mpanohitra ihany koa, hoy ny Profesora Ralison Roger...
Ny iray volan'ny teny Malagasy dia niatomboka tamin'ny 2 andron'ny teny Malagasy vao tonga amin'izao faharetany izao. Ireto telo ireto no novoizina hatramin'izay : ny teniko, ny taniko ary ny tantarako. Latsa-danja kokoa ny tantara hatramin'izay, fotoana hanandratana ny tantara izao ka ny tantaran'i Ratsitantanina, izay printsy avy eto Madagasika dia santionany. Ratsitantanina dia taranak'Andriamasinavalona, ny rainy dia Andriamambavola. Mpanolontsaina matsilo an'Andrianampoinimerina i Ratsitantanina, Mpitaritafika ihany koa izy...
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco