♦ Notsipahan'ny HCC ny filazana fa nisy fanonganam-panjakana momba ny famindrany ny fahefana nankany amin'ny Governemanta. Nanazava ny momba izany ireo mpikamban'ity Andrim-panjakana ity... ♦ Namoaka fanambarana ny Andrimaso FFKM androany. Tsy mety, hoy izy ireo, raha ny rafi-pitsarana no mandika na mampihatra araka izay tiany ny lalàna, tamin'ny nanomezan'ny HCC fahefana ny Governemanta... ♦ Voatohintohina indray ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, teny amin'ny Lapam-panjakana Mahazoarivo androany. Noavakavahana ireo mpanao gazety afaka mandrakotra ny vaovao momba ny OMC-National...
Anatin'ny vanim-potoana ialohan'ny fifidianana isika izao. Ny safidy no hahafahana mandray andraikitra eo amin'ny lafim-piainana rehetra, koa mahaiza mifidy dia hahazo sy hahita fahafaham-po ianao. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny fahasalamana dia mifototra amin'ny : vatana, saina, fanahy. Misy tanjona fifampitsinjovana amin'ny maha-olona izay tsy mijanona ho an'ny tena irery fa ho an'ny manodidina ihany koa. Io fifampitsinjovana io no mitondra amin'ny fahasalamam-bahoaka. Ny fahasalamam-bahoaka tomombana no taratry ny fandrosoan'ny firenena. Rehefa misy ny hetsika ara-pahasalamana sy fanentanana ataon'ny Fanjakana dia tokony havitrika ny rehetra mba hitsinjovana ny fahasalaman'ny rehetra.
13 septambra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahatelo amby roapolo Mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 20-26)
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco