♦ Mihatery ny fahalalahana maneho hevitra, eto Madagasikara, amin'izao akaiky fifidianana izao. Fomba fahitan'ny vovonan'ny fiarahamonim-pirenena Rohy izany... ♦ Handray andraikitra amin'ny fanaraha-maso ireo seranam-piaramanidina ny fanjakana, hitiliana ilay aretina "Variole de singe"... ♦ Lavo teo amin'ny ankatoky ny famaranana ny ekipam-pirenena malagasy vehivavy tamin'ny Afrobasket latsaky ny 18 taona. Tamin'ny isa 98 noho 66 no nandresen'ny Ejipsiana antsika, tany amin'ny kianja mitafon'Antsirabe...
Alarobia 10 aogositra 2022 — Masindahy Laurent, diakra martiry — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo, izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 12, 24-26
♦ Nisaotra sy nankasitraka ny Nonce Apostolique, Mgr Paolo Rocco Gualtieri, ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara. Handeha tsy ho ela any Pérou mantsy izy... ♦ Zava-dehibe ho an'ny Filoham-pirenena ny fiaraha-mientana amin'ny tanora sy ny fanohanana ny asan'ny Fiangonana FLM, ka antony nanatrehany ny fanokafana ny Zaikabe faha-21 an'ny Firaisan'ny Kristianina Tanora Loterana Malagasy, tany Mahajanga, androany... ♦ Vokatry ny pôlitikan'ny fitsitsiana dia nahavita nitahiry 1300 milara ariary ny fitondram-panjakana, noho ny nanafoanan ireny rantsa-mangaika samihafa teny amin'ny Minisitera ireny...
Ny olombelona dia miavaka noho ireto antony ireto : ny fananana fihetseham-po sy ny hafaliana lehibe raha misy aina vaovao teraka eto an-tany ; raha misy zavatra mampijaly ny aina dia mihetsi-po malahelo ary ory tokoa ny olona manoloana ireo namana voan'izany ; raha misy fahafatesana dia mahatsiaro malahelo ary maneho fisaonana mihitsy. katesizy momba ny hasarobidin'ny aina, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco