Mila mahay manome fitiavana sy mandray fitiavana isika. Mila fandinihantena izany rehefa mifarana ny tontolo andro. Tena fanazarantena ilaina izany hanatsara ny fiainantsika sy ny manodidina antsika, ary mamporisika antsika hifandray amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny vavaka. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Nanomboka tamin’ny 26 Aogositra 2021 lasa teo ny fiofanana tao amin’ny sekoly iray izay tantanan’ny Salezianina ao Amerika. Sekoly mampiofana ny olona eo amin’ny lafin’ny fifandraisan’ny mpiara-belona. Miisa 83 ireo mpandray anjara ao anatin’izany sampam-piofanana momban’ny serasera izany, ary avy any amin’ny provinsy efatra ambin’ny folo mampiasa ny fiteny espaniôla.
Alarobia 1 septambra 2021 — Herinandro faharoa amby roapolo mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny fanambarana avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 4, 38-44
♦ Miantso vonjy amin'ny fahefana mahefa ny mponina ao amin'ny Fokotany Imerinavaratra, Kaominina Manjakavaradrano, ato amin'ny Distrikan'Ambohidratrimo. Nanjakan'ny dahalo nandritra ny ora iray mahery izy ireo ny alin'ny alahady hifoha ny alatsinainy lasa teo... ♦ Voasambotry ny mpitandro ny filaminana tamin'ity herinandro ity ny olona roa nampiasa didim-pitsarana hosoka. Ny sehatry ny fananan-tany, ny fadin-tseranana ary ny fisaraham-panambadiana no maro mpanao hosoka ho an'ny ao amin'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany, ao Antananarivo Renivohitra...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco