♦ Mitady vahaolana amin'ny tsy fahampiandrano eto Madagasikara ny Ministera tompon'andraikitra, maro ireo foto-drafitrasa natao. Ny Jirama dia isan'ireo tompon'antoka amin'ny fanantanterahana ireo fanapaha-kevitra. ♦ Ny sahona mantella betsileo : mainty sy mena ny lamosiny, misy fotsy ny vavany, fotsy pentina mena ny tongony sy ny tanany. ♦ voka-pikarohana UNEM : Hampihena ny vola lany amin'ny angovo fandrehitra ho 50%, ary hanodina ny fako hampadio ny tanàna...
Ilaina ny mpanabe mba ampafantatra ny zavatra tsara sy ny ratsy tsy tokony hatao. (03-02-2021)
Alarobia 3 febroary 2021 — Herinandro fahefatra mandavantaona — Sokafy, ry Tompo ny fonay, mba hitandremanay ny tenin-Janakao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 1-6
♦ Mirohotra mitoby ao amin-dry masera any Tolagnaro ireo olona ianjadian'ny kere any amin'ny Faritra Androy sy Atsimo Andrefana. Tsy hody any amin'ny taniny izy ireo raha tsy milatsaka ny orana... ♦ Mihenjan-droa indray ny tady, ho an'ireo mpanara-maso ny asa, mivondrona ao amin'ny sendika SAIT sy ny Ministera miadidy azy ireo. Hampakatra ny raharaha eny amin'ny fitsarana ny sendika...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco