Alahady 12 aprily 2020 — Alahady Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 28, 1-10 — Efa voavono i Kristy izay Paka ho antsika ao amin'ny Tompo.
♦ Hankalaza ny hateloana masina manomboka anio ny kristianina. Amin'ny alalan'ny fotoam-pivavahana tsy atreham-bahoaka anefa no hanatanterahana izany ho fisorohana ny fiparitahan'ny valan'aretina Covid... ♦ Manara-maso ireo toerana misy ny tsy fanajana ny fihibohana ao aorian'ny amin'ny 12 antoandro ny ao amin'ny Ministeran'ny Fiarovam-pirenena...
(08-04-2020) Manoloana izao trangan'aretina manerantany izao dia tsy afaka misaraka ny tambazotram-pirenena sy ny fiainan-tokatrano.
♦ Tonga soa aman-tsara tany Mahajanga ireo mpandeha avy eto Antananarivo nihazo ny renivohitr'i Boeny nandeha tamin'ny zotram-pitaterana nasionaly... ♦ Nanolotra fitaovana ho an'ireo hôpitaly lehibe ao an-drenivohitra sy ny manodidina ary ny any Toamasina ny PNUD mba hiarovana ireo mpiasan'ny fahasalamana tsy hifindran'ny tsimok'aretina Coronavirus...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco