Mbola malala ny tsena ho an'ny lalam-pihariana tantely hoy ny réseau Soa. Mbola tsy ampy betsaka ny vokatra tantely tsara kalitao, raha ny eto Madagasikara ka manentana ny tantsaha hiantsehatra amin'izany ny ao amin'ny Gasy Miel. Afaka manomboka amin'ny renivola 30.000Ar ny olona te hisehatra amin'ity fihariana ity, mila ezaka ny fanombohana fa ny fanohizana azy dia miandalana ary mora. Sehatra azo hivelarana ny varotra iraisam-pirenena satria mahatratra 30 - 40 taonina isan-taona ny vokatra tantely haondran'i Madagasikara any ivelany....
Ny herisetra dia miseho amin’ny endrika maro, toy ny herisetra ara-batana, ara-moraly, ara-nofo, ara-toekarena… Maro ny antony mampirongatra izany, an'isany ny kolontsaina sy ny fomba fijery raiki-tampisaka ary ny tsy fahampian’ny fanabeazana ara-moraly, ka ilaina ny mihaino sy manampy ireo niharam-boina mba hanarenana ny ratra ara-tsaina sy ara-tsosialy mianjady aminy. Manana andraikitra lehibe ny Fiangonana amin’ny fametrahana rafitra fiarovana, fanofanana ireo mpisehatra, fiaraha-miasa amin’ny Fanjakana sy ny ONG... Fandaharana "Fibeazana Miaina sy Mitia", iarahana amin'ny Centre Arrupe Madagascar...
• Nanamafy ny fahavononany ny FFKM amin'ny fitarihana ny Fikaonandoham-pirenena. Ezahana ny hanajana ny tetiandro napetraka, amin'ny fanatanterahana ny dinika, hoy ny tompon'andraikitra… • Tsy afaka hivarotra eny amin'ny farihin'i Behoririka intsony ireo mpivarotra nesorina teny an-toerana. Haverina amin'ny endriny taloha ny farihy, hoy ny avy amin'ny Kaominina Antananarivo androany… • Navoaka androany ny lisitr'ireo mpilalao mandrafitra ny Barea, ho an'ny lalao manaraka amin'ny fifanintsanan'ny CAN 2027…
Ny volana OKTOBRA dia azo ambara ho volan'ny fandresena sy fandraisan'andraikitra ho an'ny Tafika Malagasy sy ny Foloalindahy. Ny 31 oktobra 1991 no nivoahan'ny fifanarahana Panorama, vokatry ny fifampidinihina naharitra hateloana, tantara tsara hisintonana lesoa izany ; niavaka ity fifanarahana ity satria nahafahana nanaja ny Lalam-panorenana, faharoa namaly ny hetahetam-bahoaka ary fahatelo dia nahafahana nanomana fifidianana filoham-pirenena, zava-dehibe ny fiaraha-mitantana. Nanana anjara toerana lehibe hatrany ny Tafika Malagasy ho an'ny firenena sy ny politikam-pitantanana... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...
• Nanomboka omaly ny Fihaonamben'ny Pretra Diosezanina, any amin'ny Diosezin'Antsirabe. Pretra manodidina ny 1126 no miatrika izany… • Hifarana rahampitso 14 novambra 2026, ny fisoratana anarana ho an'ireo rehetra hiatrika ny famaranana ny fankalazana ny faha-800 taonan'ny Pakan'i Md François… • Nihaona tamin'ireo niharan'ny fanararaotana tao Lima, ny Papa Léon XIV…
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco