• Hotanterahana any Mahajanga ny 27 hatramin'ny 29 aogositra ho avy izao ny atrikasa hanaovana tombana anatiny, hanatsarana ny zotram-pifidianana eto Madagasikara. Mikarakara ny CENI Foibe sy ny rantsamangaika eny anivon'ny Distrika, Faritra ary Faritany... • Manana antontan-taratasy lasitra, fiaraha-miasa eo amin'ny Antenimieram-pirenena sy ny fikambanana IPAS Francophone, momba ny zo sy ny fahasalamana ara-pananahana ho an'ny vehivavy sy ny tanora i Madagasikara. Antontan-taratasy nosoniavina androany... • Mety hidangana ny vidim-bary amin'ny fotoanan'ny maitso ahitra, hoy ny Solombavam-bahoaka Fetra Rakotondrasoa. Manaitra ny tompon'andraikitra voakasik'izany izy, handray fepetra...
Misy hatsaram-panahy efatra ao amin'i Masina Maria : ny fanekena izay natao, nanasongadina ny finoana, fananana fanantenana, ny fitiavany miredareda mba hamerenana ny ain'Andriamanitra ao amin'ny fanahintsika olombelona. Tsy nanolotra sorona hafa akory, i Masina Maria ankoatra izay nataon'i Kristy, nanolatra ny tenany ho famonjena ny olombelona. Miankina amin'ny zanany i Masina Maria fa tsy mahaleontena... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Vita iny ny fihaonana an-tampony faha-45-n’ny SADC natao teto amintsika. Tsapa ho nanao izay nahafa-po azy mihitsy ny mpitondra tamin’ny fikarakarana rehetra. Namirapiratra sy nadio ny arabe fa handehanan’ny vahiny, nirentirenty ny sarin’ireo Filoham-panjakana sy Lehibena Governemanta nanatrika ny fivoriana teto amintsika. Ny Malagasy rahateo hono malaza mandray vahiny. Hita tokoa aloha fa nahay nifanaja ny samy Malagasy nandritra iny fahatongavan’ny vahiny iny: tsy nisy hetsika politika na korontana, fa samy nampangina ny ambom-po politika. Asa ho fitandroana ny hasin’ny firenena ve sa nanaiky tsy sazoka ny fanerena (ankoalaka)?
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco