51 taona izao no nitrangan'ny famonoana ka nahafaty ny Kôlônely Ratsimandrava Richard, tandindon'ny finiavana hambabo hatrany ny firenena ho eo ambany vahohon'ny fahavalom-pirenena. Ny fahalalana ny tantara nisy dia ahafahana mamaritra ny ho avy sy mampandroso ny firenena. Toerana stratejika tsara i Madagasikara ho an'ny firenena vahiny, mila mitandrindra ny mpitondra, ka hanao ho zava-dehibe ny fiandrianam-pirenena amin'ny lafiny rehetra... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Manomboka amin'ny faha-13 ka hatramin'ny 15 taona ny fivelaran'ny fitiavan'ny tanora, ka ny ankizy vavy no misarika mialoha ny lehilahy ary ara-boajanahary izany, mifandrohy amin'ny fisian'ny ra eo amin'ny vehivavy. Noho io lamina ara-boajanahary io dia manosika ny mpampianatra sy ny ray aman-dreny handanjalanja ny fomba fanabeazana ny tanora. Misy fihetsika na toetra miova rehefa tonga amin'ny fotoana fahamaotinana ny ankizy sy ny tanora ; tsy azo fehezina tsy hitia ny olona iray... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Ny loko amin'ny tontolo isainan'ny Malagasy dia mifanahaka amin'ny toetra amam-pihetsika, amin'ny fomba fisainana, amin'ny filôzofia Malagasy ary ny kolontsaina. Ny Malagasy tsy mametraka ho zava-dehibe ny fitsimbinam-pihavanana, ny tsy fiziriziriana hany ka lasa manana fahazarana manao teny verindroa ireo voambolana manambara loko ; ohatra : menamena, mangamanga, fotsifotsy. Ny "mainty sy ny fotsy" dia entina ilazàna zavatra miiba, ny "manga" ilazana zavatra tsara, Ny "mena" fiandrianana na fitohizan'aina. Mety hiova isam-paritra ny hevitry ny loko (Mainty - Manga - Maitso)...
-- Sanatria tsy hanao vain-drahalahy tsy mba marary ny AROFANINA, ka handingana tsy haneho ny fiombonam-po amin'ireo malagasy havana, mpiray tanindrazana, nisedra olana vokatry ny fandalovan'ny rivodoza. Na ny Arofanina aza...sadaikatra..., sahirana hitady voambolana hambara satria tena goavana ny fahavoazana... Raha nahazatra mantsy ny masoandro miposaka avy Atsinanana vao maraina, dia rivodoza harivariva...alinalina...no tonga tsy mba nandrandraina fa nandravarava...
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco