-- Sanatria tsy hanao vain-drahalahy tsy mba marary ny AROFANINA, ka handingana tsy haneho  ny fiombonam-po amin'ireo malagasy havana, mpiray tanindrazana, nisedra olana vokatry ny fandalovan'ny rivodoza. Na ny Arofanina aza...sadaikatra..., sahirana hitady voambolana hambara satria tena goavana ny fahavoazana... Raha nahazatra mantsy ny masoandro miposaka avy Atsinanana vao maraina, dia rivodoza harivariva...alinalina...no tonga tsy mba nandrandraina fa nandravarava...

 Nampitondra faisana izay toerana  nolalovany tokoa ny rivodoza GEZANI, indrindra ny faritanin'i Toamasina. Namoizana aina sy naharatrana mpiray tanindrazana maro, ao koa ireo mbola tsy hita popoka, ary navesatra ny faharavan'ny fotodrafitrasa samihafa. Raha natao indray mipi-maso, dia tena nogejainy tao anaty fotoana vitsy  monja izay nolalovany. Tsy tao an-trano, tsy teny an-dalambe, tsy tany anaty fiara fitaterana na toeram-piasana, tsy teny amin'ny trano fivavahana sns... fa samy nandon-tratra moramora avokoa vao mahita sy mahaino ny voka-dratsin'iny rivodoza iny. Vao mainka aza nandona fo ny nahaino ny tenin'ny Filohan'ny Fivondronam-ben’ny Eveka eto Madagasikara, Mgr Raharilamboniaina Marie Fabien, nilaza ny faran'ny herinandro teo raha nigadona tany Toamasina fa....mihoatra lavitra amin'ny hita amin'ny tambajotran-tserasera ny takaitran'i Gezani.

Tsy hamendrofendro hitanisa ireo trano rava sy fananana simba ary aina nafoy ny Arofanina fa...zava-dehibe tsy HANAVAHANA ny fijoroan'ny tsirairay  niantso....fifanomezan-tanana. Maro tokoa ireo efa nidododo nanao izay ho afany nitondra izay zakany, tsy vitsy koa anefa ireo efa nampanantena ny hanampy ireo Malagasy havany. Tsy isika samy Malagasy ihany fa na ny avy any ivelany aza dia efa miezaka mitondra ny anjara birikiny ho fanampiana amin'ny fanarenana ireo simba. Tsy foto-drafitrasa ihany fa eo koa ny amin’ny maha olombelona.

Tsy mora anefa ny fanarenana ny fahavoazana, indrindra fa firenena voasokajy ho mahantra ny firenentsika.  Manampy trotraka izany ny rivodoza izay saika efa loza voanajahary mitoetra ho olana isan-taona ho an'i Madagasikara. Eo indrindra ny AROFANINA no manantitrantitra fa efa re sy iainana ary hifanentanana isan-taona ny fisian’ny rivodoza, saingy hatraiza ny vokatr’izany? Sao lahy dia hifaly hitavandra fanampiana fotsiny isika (eny isika, hoy ny AROFANINA) ka tsy hijery lavitra hamisavisa handingana izany? Re hatrany mantsy ny hoe kalitao, fenitra, manara-penitra amin'ny foto-drafitrasa. Ka sao fotoana izao hanampiana ny Malagasy hanorina ny foto-drafitrasa tena hahazaka rivodoza.

Volabe koa izay efa re fa ho azo izay, ho fanarenana ny takaitra vokatr’ireo rivodoza FYTIA sy GEZANI. Ary tsy takona afenina koa aza ny tabataban'ireo traboina miandry izay ho anjarany. Nanalava sofina ny Arofanina ary nahare ny faran'ny herinandro teo fa toa hoe....nanome toky ny Praiminisitra sy ny governemanta tarihiny fa hangarahara ny fitantanana ny vola ary hisy ny fanaraha-maso mba ho tena hipaka any amin'ireo traboina tokoa izany...tsy handeferana koa hoe ireo mikasa ny  hanodinkodina sy ny hanao kolikoly an'ireo fanampiana ireo. Fanomezan-toky miendrika velirano izany ary mila arahina asa, hoy ny AROFANINA. Fanirian’ny AROFANINA koa anefa raha toa ka mba tsy ho fanampiana misy tambiny, zazarain’ny loko politika sy fiaviana ary finoana no hanjaka.....fa tena fiombonana mampiseho ny maha iray ny MALAGASY. Voin-kava-mahatratra tokoa  izao fotoan-tsarotra lalovan'ny firenena izao, ka  tena ilaina ny fampiharana ny entan-jaray mora zaka.

Amin'ny andro sarotra toa izao tokoa no ahalalana ny tena namana, ka andao àry hifanentana sy hanangana Arofanina. Firifiry ireo niafy mba te hivoatra toy ny hafa? Azonao an-tsaina koa ve fa maro ireo nanao ny fara heriny hananganana ny ho aviny? Foana, rava, nidaraboka tanatin' ny indray mipi-maso anefa izany noho ny hetraketraky ny loza voajanahary. Nisy ankoatra izay ireo vao nisonga kely dia niverina aotra... Tao koa ireo efa nahavita dingana lehibe fa nibolisatra nidina ka tsy afa-manoatra.

Dia miara-mahatsiaro amintsika eto ny AROFANINA fa rivodoza fahadimy manomboka amin'ny G i Gezani. Efa nialoha azy ry Geralda (1994) - Gretelle (1997) - Gafilo (2004) - Giovanna (2012).
Samia anefa mahery fa....tsy iny akory no faran'izao tontolo izao sy ny firenentsika. Ampirimo any an-dapa ary aloha ny hambom-po politika e

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...