Na inona na inona ny fihevitry ny reny ny amin’ny nahatonga azy nitoe-jaza dia tsodranon’Andriamanitra ny zanaka. Noho izany melohin’ny Papa François ny herisetra ara-batana na ara-moraly atao amin’ny ankizy. Fanazavana ny katesizin’ny Papa François momba ny anjara toeran’ny ankizy iarahana amin’ny Père Fenohasina Dorysse Randrianjatovo.
Alarobia 05 febroary 2020 — Herinandro fahefatra mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 1-6 — Sokafy, ry Tompo ny fonay, mba hitandremanay ny tenin-Janakao.
Feno 150 taona tamin'ny alahady 2 febroary teo ny nanambaràna an'i Roma ho renivohitr'Italie ary nosokafana ofisialy omaly alatsinainy 3 febroary ny lanonana samihafa ho fanamarihana izany.
Mitondra ny anjara birikiny ho fanampiana an'i Chine amin'ny fiatrehana ny valanaretina entin'ny Coronavirus ny eo anivon'ny Fiketrahana Masina.
♦ Homarihina ny 15 sy 16 jona 2024 ny Andro Maneran-tany faha-58 ho an'ny Fifandraisan'ny Mpiara-belona, eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Miisa 38 ireo fankalazana mandritra ny taon-Jobilin'ny Fanavotana ny taona 2025... ♦ Mankahery ny rehetra hanao asa soa pastôraly bebe kokoa, ny Papa François, amin'ny fanamarihana ny Andro Maneran-tany faha-8 ho an'ny Mahantra, amin'ny volana nôvambra 2024...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco