"Hay kay ny fitondran'Andriamanitra ny fiainantsika ity, dia arakaraka izay manendrika antsika. Ny voloko kosa ve izao dia hitovy amin'ny volon'i Rossy, izaho efa sola."
« Hasambarana sy hafaliana ho antsika rehetra ! », izay ny firariantsoa omen'i Frera Dieudonné Stéphane, sdb, misionera any Guatemala, amin'izao fanombohan'ny taona 2020. "Manantena aho fa tsara fanombohana ho anareo rehetra ity taona ity". Zarainy amintsika eto àry ireo zava-nitranga mahafinaritra niainan'izy ireo.
Nahazo fanasana ofisialy avy amin’ny fitondram-panjakana indoneziana, hamangy an’Indonésie amin’ity taona ity i Papa François.
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco