Fianakaviana, fiaraha-monina: toerana roa samy manana ny hanitra ho azy. Mifampiditra, mifampiankina, mety hifanohitra fomba fijery sy soatoavina, mety hifaka tahaka koa nefa matetika. Ny fianakaviana koa dia afaka manova ny fiaraha-monina, satria ao an-tokantrano no ianarana ny fitiavana, fanajana, fahamarinana ary andraikitra, izay entin’ny tsirairay any amin’ny fiaraha-monina. Koa raha maniry "Ho avy mendrika kokoa" isika, dia manomboka ao amin’ny fianakaviana anio ny fanorenana izany ho avy izany. Misy fiantraikany amin’ny fianakaviana ny fiaraha-monina, amin’ny alalan’ny teknolojia, ny asa, ny toe-karena ary ny fiovan’ny fomba fisainana...
Rehefa teraka ny zaza dia tsy tapitra foana akory ny adidy amin'ny fiarovana ny aina fa eo koa ny fampisitrahana ny zo, dia ny zo hiaina, hahazo sakafo, zo hotsaboina, zo hanana fianakaviana, zo mifamatotra amin'ny fanabeazana ary eo hatrany ny fiarovana. Maro ireo tranga maningotra ny aina : herisetra, fanararaotana, fanondranan'olona... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - olombelona ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.
• Tsy nahatratra ny naoty, araka ny fenitra takiana, i Madagasikara momba ny fitokisan'ny vahoaka ny mpitondra. Handray fepetra momba ny politikam-panjakana manoloana izany, ny fitondrana malagasy... • Hiteraka fikorontanan'ny vanim-poam-pahavaratra ho avy eto Madagasikara ny tranga “El Nino”, hoy ny avy amin'ny Météo. Hisy ny fisorohana mialoha ny voka-dratsy sy ny fiantraikan'izany... • Hafindran'ny Kaominina Antananarivo ireo mpivarotra manamorona ny farihin'i Behoririka, ho fandaminana ny tanana. Misy amin'izy ireo anefa no tsy manaiky, raha hesorina tanteraka eny an-toerana...
Fiainana andavanandro ary mety hahakasika ny rehetra ny "tsy fahombiazana sy ny fahadisoana". Ny atao hoe "tsy fahombiazana" dia ny tsy fahatratrana izay heverina ho vokatra andrasana, izany hoe misy hetsika natao anefa tsy nahazoana vokatra araka izay nofaritana. Ny hoe fahadisoana dia ny fialana amin'ny lalana heverina hitondra any amin'ny tanjona, zavatra tokony natao anefa tsy natao, ohatra hoe fantatro aho fa tsy tokony hifoka sigara anefa hatao ihany... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco