Tsy misy ny fifanakaikaizana am-po eo amin' ny Ray aman-dReny sy ny zanaka ka mitarika amin'ny tsy fifampitokisana izany. (10-02-2021)
Alarobia 10 febroary 2021 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny fanambaràna avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 7, 14-23
Nahemotra ho amin'ny 26 febroary ho avy izao ny fara fandraisana ny antotataratasin'ireo mpanao gazety amin'ny fanamboarana ilay karatra maha matihanina. Hitohy amin'ny fifidianana ireo mpikambana handrafitra ny biraon'ny holafitry ny mpanao gazety izany, hoy ny Vaomieram-pirenena hitambarana, misahana ny famolavolana ny famoahana ny karatra...
Ny toe-tsaina ho entina miatrika fiainana. safidy ny an'ny tsirairay na hanaiky iharany na handray an-tànana ny fiainana sy hanova zavatra ary resy lahatra hitondra anjara hanatsaràna ny fiainana. Aza miandry ny hafa fa manana hery anaty ianao...
• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco