Izay mahakolokolo manana ny soa, hoy ny fiteny. Raha te hahira-tsaina dia tsara raha tia karokaroka ny tanora mba tsy ho arafesina ny saina ary mba hanitaram-pahalalana. Hampandrosoana ny pastoralin'ny tanora dia omena lanja ireto roa ireto hoy ny Papa Fransoa : Fikarohana sy fitomboana. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
♦ Nahazo fahafahana vonjy maika ny efatra amin'ireo voarohirohy amin'ilay raharaha fikasana hamono mpitondra ambony eto amin'ny firenena "Apollo 21". Hitohy rahampitso indray ny fitsarana ity raharaha ity... ♦ Mitaraina ny fikambanan'ny sekoly tsy miankina eto Madagasikara, amin'ny fahasahiranan'ny ray aman-dreny mampiditra mpianatra eny amin'izy ireo. Miantso ny fitondrana handray andraikitra koa ity fikambanana ity, amin'ny fidangan'ny vidin'ny fitaovam-pianarana amin'izao...
♦ Ny fikambanana AVENIR dia misehatra ao amin'ny Distrika Manjakandriana, nanomboka tamin'ny taona 1996. Ity fikambanana ity dia nanao ny fanentanana momba ny fiarovana ny tontolo iainana, isan'izany ny ady amin'ny doro tanety sy ny fampiasàna ny saribao tany... ♦ Ny maingoka dia bibikely tsy misy taolana sokajiana ho iray tarika amin'ny "arachnides", misy 600 karazana maneran-tany... ♦ Efa mampiasa ilay fitaovana " FireCast" i Madagasikara, fiaraha-miasa amin'ny Naza, ho fanisàna ny tranga sy fiarovana amin'ny afo...
Alarobia 4 aogositra 2021 — Herinandro fahavalo ambin'ny folo mandavantaona — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 15, 21-28
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco