♦ Ny fikambanana AVENIR dia misehatra ao amin'ny Distrika Manjakandriana, nanomboka tamin'ny taona 1996. Ity fikambanana ity dia nanao ny fanentanana momba ny fiarovana ny tontolo iainana, isan'izany ny ady amin'ny doro tanety sy ny fampiasàna ny saribao tany... ♦ Ny maingoka dia bibikely tsy misy taolana sokajiana ho iray tarika amin'ny "arachnides", misy 600 karazana maneran-tany... ♦ Efa mampiasa ilay fitaovana " FireCast" i Madagasikara, fiaraha-miasa amin'ny Naza, ho fanisàna ny tranga sy fiarovana amin'ny afo... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...