Hanamarika ny andro maneran-tany ho an'ny tontolo iainana isika amin'ity herinandro ity. Ny 5 jiona izao ny marimarina kokoa, ary fanamarihana faha – 52, araka ny nametrahan'ny Firenena Mikambana azy ny taona 1973. 52 taona ‘zany izay no nivoizana foana fa tokony arovana ny tontolo iainana. Fotoana iray ny isaky ny 5 jiona, ahafahana manentana ny rehetra hiaro ny tontolo misy antsika. Anisan’ny loza mitatao ankehitriny ny fako plastika. Miompana amin'izany rahateo ny fanentanana ho an’ny andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana amin’ity taona ity. Mamotika ny rohy Voahary an-tanety sy an-dranomasina izy ireny. Mihena ny vokatra ara-pambolena, noho ny fiparitahany.
02 jona — Tovovavy nobaboina i Masimbavy Blandine, maty martiry tao Lyon tamin’ny fotoana nanjakan’ny amperora Marc Aurèle tamin’ny taona 177. Nahery fo tokoa ity tovovavy ity tamin’ny fotoana nampijaliana azy. Maro ireo namany no tsy nahatanty ny fampijaliana ka niverin-dalana ary nihemotra tamin’ny finoana fa izy kosa dia sahy nijoro hatramin’ny farany.
Ny Fiakarana, andro voadidy hohamasinina, dia 10 andro mialohan'ny pantekôty, andro nirotsahan'ny Fanahy Masina. Ny Diakra dia afaka mitso-drano ny ireo miroso amin'ny fandraisana ny Sakramenta Batemy sy ny Sakramenta Mariazy, raha toa ka mahazo alalana avy amin'ny Eveka na ny Pretra tompom-paritany. Ireo "Ministre ordinaire"-ny Sakramenta dia ny Eveka, ny Pretra ary ny Diakra... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Alahady faha-7 - taona D fankalazana ny Paka : Tokony hangetaheta ny mandrakizay isika ; tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo: handeha Aho ary ho avy eo aminareo indray, ka ho faly ny fonareo. Fanirian'i Jesoa no ho andian'ondry tokana antsika sy ho mpiandry ondry tokana no hiahy antsika. Ny môdelin'ny fiombonana dia ny fiombonana ao amin'ny Trinite Masina. Andriamanitra Ray dia toy ny masoandro, mamiratra ; ny Zanaka dia ireo tana-masoandro, mitondra hazavana ao an-trano sy mamono ny otrik'aretina samihafa, ny Fanahy Masina dia ny hafanana...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco