♦ Nifarana vonjimaika androany, ny fampidirana mpifidy anatin'ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana. Nihoatra ny tombana napetraky ny CENI, ny isan'ireo olom-pirenena vaovao voasoratra anaty lisitra... ♦ Mitaky ny hampitsaharana tanteraka ny tetik'asa fitrandrahana fasimainty ataon'ny orinasa Base Toliara, ny firaisan-kinan'ny mponina voakasik'izany... ♦ Mbola mitohy amin'ny toerana maro manerana ny nosy ny rotsak'orana, androany hatramin'ny alahady izao. Faitra maromaro no nahazo fampitandremana avy amin'ny Météo...
Ny fitiavana dia mifototra amin'ireto teny telo ireto : fifampitokisana, fifanajana, fitiavana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny faha-11 febroary dia andro manokana hijerena sy hitsinjovana ireo marary rehetra, fa ny 12 febroary dia natokana ho an'ireo mararin'ny androbe. Ny hepatita dia areti-mifindra, izay aretina mpahazo ny aty. Ny asan'ny aty dia manadio ny ra, amin'ireo singa izay manampoizina ny vatan'ny olombelona, izay miditra amin'ny alalan'ny rivotra fohana sy ny maso-koditra, sakafo, firaisana ara-nofo. Ny hepatita dia fahasimban'ny aty vokatry ny zavatra misy poizina na otrik'aretina... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
14 febroary 2024 — Alarobia fanosorana Lavenona — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo; fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 1-6, 16-18)
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco