14 febroary 2024 — Alarobia fanosorana Lavenona — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo; fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 1-6, 16-18)

Manomboka amin’ity andro ity ny Karemy, ka miombona amin’ny fijalian’i Jesoa isika izay nentiny hamonjena antsika. Ilay nanetry tena ka nanaiky hijaly hisolo heloka antsika, nanaiky hatramin’ny fahafatesana hanavotra antsika. Hiaraka amin’i Jesoa àry isika, mandritra izao karemy izao hiakatra, hananika tendrombohitra ho any an-tampon’i Kalvery, dia ny Paka izany, hahafahantsika mandresy toa Azy. Manoro hevitra antsika amin’ny tokony hiainantsika tsara izany karemy izany àry ny Evanjely henontsika teo. Misy telo: asa soa na fiantrana, ny vavaka ary ny fifadian-kanina. Iombonan’izy telo ireo ny tsy anaovana azy ampahibemaso na an-karihary. “Aoka, hoy i Jesoa, tsy atao eo imason’ny olona”. Fakam-panahy mahazo antsika ny tsy manao zavatra raha tsy hitan’ny olona, hany ka misehoseho sy mirehareha mba hihobian’ny olona antsika, mahazo laza amin’izany. Aoka hanetry tena isika ka tsy ny olona no tokony hahita izany fa Izy Andriamanitra. Eo ihany koa ny hoe miandry valiny vao manao zavatra, mila tambiny, araka ny hoe: “takalo patsa vidim-pihinanana”, “domina tapany handoa erany”. Aza miandry valisoa aman’olona fa aleo Andriamanitra no hamaly. Amin’izay “atrehi-mahefa, iambohana mahavita”. Fitia tsy mila na miandry valiny iainana. Atomboy amin’izao karemy izao. Antso ho amin’ny fibebahana mantsy ny karemy ka mitaky famolahan-tena misimisy kokoa noho ny andavan’andro. Miala amin’ny ratsy mankamin’ny tsara, ary ny tsara efa iainana ho amin’ny tsaratsara kokoa hatrany. Ezaka takiana amintsika izany isan’andro, indrindra amin’izao karemy izao, hanomanana tsara ny Paka, izay fototry ny finoantsika.

Handeha ho raisintsika tsirairay àry ireo zavatra telo lazain’i Jesoa ireo: Asa soa na fiantrana. Tsara atao am-pitiavana izany ka tsy entina mirehareha na mieboebo na mitady laza. Misy aza moa manao izany hanaronana ny hadalana mamohehitra fanaony. “Mody hoe, kanefa tsia”, tsy araka izany ny tena fiainany. Aoka isika hibebaka ny amin’izany. Fotoana tsara natokana hibebahana mantsy izao. Fa izay mizarazara ny kely an-tanany ho an’ny hafa mihary lovasoa tsy mety simba, hoy ny hirantsika. Azon’ny rehetra atao izany na manan-karena na tsy ampy fivelomana: samy entanina handray anjara, hijery ny hafa. Fa aza manararaotra kosa na izany aza ny hafa e!

Faharoa ny vavaka: resaka ifanaovantsika amin’Andriamanitra na koa tsiambaratelontsika sy Izy Andriamanitra ka tsy mila aderadera. Fa tsara idirantsika matetika amin’izao karemy izao ny efitranon’ny fontsika lalina ao. Tsy misy mpahita mantsy ao, afa-tsy Izy Andriamanitra irery ihany. Mahaiza mandrindrina azy fa aza avela ho tamian’ny fahavalo. Efa mivavaka isika fa mbola hamafisintsika ho mafy kokoa hatrany, toy ny fefiloha ka ny manatevina hatrany, indrindra amin’izao karemy izao. Ataovy mitombo noho ny isan’andro ny fitiavam-bavaka fanaontsika.

Farany ny fifadian-kanina: entanina isika hanao izany fa fanaketrahana ny filan’ny nofo no mampahazo vahana ny fanahintsika. Ankehitriny, amin’ity andro alarobia fanosorana lavenona ity sy ny Zoma Masina ihany no tena takina amintsika tsy hihinan-kena sy hanim-be fa tsy isaky ny zoma intsony akory. Saingy raha afaka manao izany matetika moa isika tsy tohaina fa ampirisihana sy entanina aza. Marihina fa amin’izao karemy izao dia romotra i Satana manao izay handavoana antsika hanao zavatra tsy tokony atao, hany ka mahita hena ho azy izany, na alarobian’ny lavenona aza. Mila mitandrina isika ka hanamafy ny finoantsika tsy horesin’ny fakam-panahy.

Mifampiankina araka izany ny asa fiantrana sy ny vavaka ary ny fifadian-kanina ka anjarantsika ny manatontosa izany araka ny tokony ho izy, tsy eo imason’olona fa amim-panetren-tena tanteraka. Mirary karemy tsara ho antsika rehetra hahatongavana amin’ny Paka.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...